Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 17:1 - DIEM PROTESTANTA

1 I Jôsafata, zanakalahin’i Asà, no nanjaka nandimby azy; ary nitombo hery teo anoloan’ny fanjakàn’i Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 I Josafata, zanak’i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hifanandrina tamin’ny Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 I Jôsafata, zanakalahin’i Asà, no nanjaka nandimby azy; ary nitombo hery teo anoloan’ny fanjakàn’i Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 I Jôsafata zanak’i Asà, no nanjaka nandimby azy. Nanamafy ny fiarovany tena tamin’i Israely,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Josafata, zanak’i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin’ny Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin'ny Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 I Josafata, zanak’i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hifanandrina tamin’ny Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 17:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina am-pasan-drazana tao an-tanànan’i Davida; ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Ahaba mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôsafata zanakalahin’i Asà.


Dia maty tokoa araka ny tenin’ny TOMPO voalazan’i Elià i Ahazià; ary satria tsy mba niteraka izy, dia i Jôrama rahalahiny no nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata sady mpanjakan’i Joda.


Ireto no filohan’ireo kalazan’i Davida, dia ireo kalaza nifikitra taminy nandritra ny nanjakany, ka efa niaraka tamin’i Israely lafy valo mba hampanjaka azy teo amin’i Israely araka ny tenin’ny TOMPO.


Rehefa nampandry ny fanjakany sady nanamafy fahefana i Rehabohama, dia nandao ny lalànan’ny TOMPO na ny tenany na ny Israelita rehetra tatsimo.


Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy.


Ireto Mehonita ireto aza dia nandoa hetra ho azy. Tonga nahery fatratra i Hozià ka niely laza hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.


Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an-Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.


Hisaona ny mpanjaka, tototra hakiviana ny andriana ary hangovi-tanana ny vahoaka. Hovaliako araka ny fitondrantenany izy ary hotsaraiko araka ny sahaza azy. Amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO.»


I Asà, ray niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata, ray niteraka an’i Jôrama; i Jôrama, ray niteraka an’i Ozià.


Farany, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo dia matanjaha ombàn’ny heriny tsy hay tohaina.


Ary i Jônatàna zanakalahin’i Saoly nankany amin’i Davida any Hôresa ka nankahery azy tamin’ny anaran’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra