–Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy nirona tamin’ny lainga na nianiana hoenti-mamitaka.
1Timoty 1:5 - DIEM PROTESTANTA Ny kendren’izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin’ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny anton’ny didy fandrarana dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny kendren’izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin’ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy. Baiboly Katolika Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony; Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy Malagasy Bible Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy, La Bible en Malgache Fa ny anton’ny didy fandrarana dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy; |
–Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy nirona tamin’ny lainga na nianiana hoenti-mamitaka.
Ataovy reko ny famelanao, dia hifaly sy hiravo indray aho; ary aoka hibitaka ny taolako izay efa voamontsamontsanao.
Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?
Dia hoy Aho anakampoko: Raha manaja Ahy i Jerosalema ary mandray ny fampitandremako, dia tsy horavako ny fonenany araka ny fandrahonana nataoko taminy! Kanefa vao mainka nilomay hanao ratsy ihany izy iray tanàna.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony.
Tsy nasiany tombo sy hala isika sy ny hafa firenena fa nodioviny fo izy ireo satria nino.
Nibanjina an’ireo mpitsara i Paoly ka nanao hoe: –Ry rahalahy, nitondra tena teo anatrehan’Andriamanitra tamin-kitsimpo tokoa aho mandraka androany.
Noho izany, dia miezaka lalandava aho mba tsy homelohin’ny fieritreretako eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona.
Eny, lany andro ny lalàna nony tamy i Kristy hahatonga ny mpino rehetra ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra.
Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Raha miteraka alahelo ho an’ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbànao amin’ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy ho famonjena azy.
Noho izaho tafaray amin’i Kristy, dia ny marina no lazaiko ka tsy mandainga aho; ary tarihin’ny Fanahy Masina ny fieritreretako no mijoro ho vavolombelona miara-manambara amiko
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny fitenin’ny anjely aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia zary varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny.
Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona.
Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky,
Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.
Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.
Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara,
tano ny finoana ary manàna fieritreretana tsara. Fa misy olona nitsipaka ny feon’ny fieritreretany, ka nandrendrika ny finoany;
mitana tsara ny tsiambaratelo nambara momba ny finoana ka mitana izany amin’ny fieritreretana mahitsy.
Velom-pisaorana an’Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin’ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon’ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin’ny fivavahana ataoko andro aman’alina.
Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan’i Lôisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.
Andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin’ireo olona miantso ny Tompo amin’ny fo mahitsy.
Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa tsy misy madio na inona na inona amin’ny olona voaloto sady tsy mino, satria samy efa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika.
Mivavaha ho anay; satria matoky izahay fa mahitsy fieritreretana, ka satrinay tokoa ny hanana fitondrantena tsara amin’ny zavatra rehetra.
vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.
Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa.
saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan’i Kristy anareo.
Io rano io no tandindon’ny batisa izay amonjena anareo ankehitriny; ka tsy fanesorana lotom-batana ny batisa, fa toky omen’ny fieritreretana madio hitodika amin’Andriamanitra. Ny batisa no amonjena anareo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy tafatsangana ho velona,
Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa.
ny firaiketam-ponareo amin’Andriamanitra ombay fandalana ireo havana iray finoana; ny fandalànareo ny havana iray finoana ombay fitiavana ny olona rehetra.
Izany no mampiavaka miharihary ireo zanak’Andriamanitra amin’ireo olona andevozin’ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina soritany sy izay tsy tia ny namana iray finoana.
Ary ny didin’Andriamanitra dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomen’i Kristy antsika.
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina amin’i Kristy izany dia mitandrin-tena hanana toetra madio mba hadio toetra tahaka Azy.