Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.
1Petera 1:11 - DIEM PROTESTANTA Nokarohin’ny mpaminany tokoa izay vaninandro sy toe-javatra notondroin’ny Fanahin’i Kristy; fa tao anatin’izy ireo ny Fanahin’i Kristy ka nanambara mialoha ny fijaliana hanjo an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 eny, nokarohiny ny momba izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ny Fanahin’i Kristy tao anatiny raha nambarany mialoha ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nokarohin’ny mpaminany tokoa izay vaninandro sy toe-javatra notondroin’ny Fanahin’i Kristy; fa tao anatin’izy ireo ny Fanahin’i Kristy ka nanambara mialoha ny fijaliana hanjo an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. Baiboly Katolika Nohadihadian’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ny Fanahin’i Kristy tao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. Malagasy Bible eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. La Bible en Malgache eny, nokarohiny ny momba izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ny Fanahin’i Kristy* tao anatiny raha nambarany mialoha ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. |
Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.
Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.
Dia nitenenany aho ka nataony hoe: «Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»
«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»
Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanjaka amin’ny tany manontolo. Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana, ary ny anarany irery no hoeken’ny olon-drehetra.
Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy, kanefa mampalahelo ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany!
Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: –Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.
I Isaià no nilaza izany, dia satria nahita mialoha ny voninahitra hananan’i Jesoa izy sy niteny momba Azy.
Nihazo ny faritany Mizia izy ireo ary nitady hankany Bitinia, kanjo tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa.
Ianareo kosa, tsy anjakan’ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan’ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy.
Ary ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan’Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô!»
satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona izay nentanin’ny Fanahy Masina.
Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.