Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 1:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voambara aminareo ankehitriny, tamin’ny tenin’ireo nitory ny Filazantsara taminareo tamin’ny Fanahy Masina izay nirahina avy tany an-danitra. Izany zavatra izany dia mahaliana ny anjely tokoa ny hijery azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy, dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin’ny Anjely hojerena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin’ny tenin’ireo nitory ny filazantsara taminareo amin’ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian’ny anjely hodinihina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voambara aminareo ankehitriny, tamin’ny tenin’ireo nitory ny Filazantsara taminareo tamin’ny Fanahy Masina izay nirahina avy tany an-danitra. Izany zavatra izany dia mahaliana ny anjely tokoa ny hijery azy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 1:12
56 Rohy Ifampitohizana  

Hifanatrika ny kerobima roa sady manatrika ny saron’ny Vatamasina izay alofany amin’ny elany mivelatra.


Miverena hihaino ny fananarako ianareo fa indro haidiko aminareo ny fanahiko ary hampahafantariko anareo ny teniko.


Indray andro any, dia hatosaka ny Fanahy avy amin’ny Tompo ao ambony; ka hanjary saha mahavokatra ny taniefitra ary ny saha mahavokatra hanana ny lanjan’ny ala.


Iza no nino ny fanambaràna natao taminay? Ary iza no nampisehoana ny herin’ny TOMPO?


Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kirôsa mpanjakan’i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin’i Daniela izay nantsoina koa hoe Beltesatsara. Izany hafatra izany dia azo antoka sady nilaza fa hisy fisedrana goavana. Nodinihin’i Daniela izany hafatra izany; ary tamin’ny alalan’ny fahitana no nahafantarany ny heviny.


Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin’ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin’ny andro farany.› »


Fa namaly izy hoe: ‹Ry Daniela, mandehana fa efa voahorona hiafina ireo teny ireo sady voaisy tombokase tsy ho azo sokafana mandra-piavin’ny fotoana farany.


Ary naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana nandritra ny alina ilay zava-miafina; koa nidera an’ilay Andriamanitry ny lanitra izy.


Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina sady mahalala izay misy ao amin’ny maizina, satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.


Izay ny mpanjaka vao namaly an’i Daniela ka nanao hoe: –Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa afaka nanambara tamiko izany zava-miafina izany ianao.


Dia nandre anjely iray niteny aho; ary nisy anjely iray hafa nanontany azy hoe: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay zavatra nasehon’ny fahitana? Mandra-pahoviana no ho foana ny sorona isan’andro, no hanjaka ny halozana mahatonga fandravana ary ho voahosihosy ny Toeramasina mbamin’ny tafiky ny lanitra?»


Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.


Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY, raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany amin’ireo mpaminany mpanompony.


Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.


Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika.


Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana azy!


Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe: –Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra.


Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Mandehana eran’izao tontolo izao, torio amin’ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly.


Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an’ny anjelin’Andriamanitra amin’ny mpanota anankiray monja miala amin’ny toetra ratsiny.


ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin’ny Tompo.


Dia lasa ireo mpianatra nitety isan-tanàna ka nanambara ny Vaovao Mahafaly sy nanasitrana hatraiza hatraiza.


Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin’ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin’ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.


Raha mbola nilaza izany zavatra izany i Petera, dia nilatsahan’ny Fanahy Masina ny olona rehetra nihaino ny lahateniny.


Tsy nangataka andro izahay taorian’izany fahitàn’i Paoly izany, fa nivonona hiainga ho any Masedônia, satria azonay antoka fa nantsoin’Andriamanitra hitondra ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona any izahay.


Nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra Izy ka nandray avy tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina ary narotsany taminay izany araka izao hitanareo sy renareo izao.


Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.


Feno Fanahy Masina i Petera tamin’izay ka nanao hoe: –Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona,


Rehefa avy nanao fijoroana vavolombelona sy nitory ny tenin’ny Tompo ry i Petera sy i Jôhany, dia nitodi-doha ho any Jerosalema, ka nanambara ny Vaovao Mahafaly teny amin’ny tanàna kely maro eran’i Samaria.


hany ka maika erỳ aho hanambara ny Vaovao Mahafaly aminareo atỳ Rôma koa.


Eny, asehon’ny Vaovao Mahafaly fa ny aneken’Andriamanitra ny olona ho marina dia ny finoana, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona.»


Ary hatao ahoana no fitoriteny, raha tsy nirahina? Araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Endrey, tsara izany mahita ireo mpitondra Vaovao Mahafaly tonga hanambara teny soa!»


tamin’ny herin’ny famantarana sy zava-mahagaga ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin’ny faritany Iliria.


Izahay kosa no nanehoan’Andriamanitra izany tsiambaratelo izany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina dia afaka mandinika ny zavatra rehetra, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.


ary Izy no nanisy ny tombokase maha fananany antsika sy nandrotsaka ny Fanahy Masina ao am-pontsika ho antoky ny soa natokany ho antsika.


Ahariharinay fa mpanompon’Andriamanitra izahay amin’ny fahadiovan’ny toetranay, amin’ny fahalalànay, amin’ny faharetanay, amin’ny hamoram-ponay, amin’ny Fanahy Masina manentana anay, amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy asehonay,


Tsy hoe olombelona no nandraisako azy na nianarako azy, fa i Jesoa Kristy no nanambara azy tamiko.


Ary rehefa sitrak’Andriamanitra ny nanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako ny Vaovao Mahafaly momba azy amin’ny hafa firenena, dia tsy naka saina tamin’olombelona osa sy malemy aho,


fa ankehitriny kosa naseho tamin’ny alalan’ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren’Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina.


Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman’alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra.


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.


Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin’ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin’ny famantarana sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina izay nozarazarain’Andriamanitra araka ny sitrapony.


Efa nitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Ren’ireo ny hafatra, nefa tsy nahasoa azy, satria tsy mba anisan’izay nihaino izany tamim-pinoana ireo.


Fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay.» Ary izany teny izany dia ny Vaovao Mahafaly notorîna taminareo.


Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban’Andriamanitra izy ao amin’ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin’ny nofo araka ny fomban’ny olona.


Dia nahita aho sady nandre ny anjely maro, miisa arivoarivo sy alinalina. Nanodidina ilay sezafiandrianana sy ny zava-miaina ary ny loholona ireo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra