Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 9:17 - DIEM PROTESTANTA

Ny mpiandry vavahady dia ry i Saloma sy i Hakoba ary i Talmôna sy i Ahimàna mbamin’ireo namany; ka i Saloma no filohany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny mpiandry varavarana dia i Saloma, i Akoba, i Talmona, i Ahimana ary ny rahalahiny, fa i Saloma no lohany;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny mpiandry vavahady dia ry i Saloma sy i Hakoba ary i Talmôna sy i Ahimàna mbamin’ireo namany; ka i Saloma no filohany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary ny mpiandry varavarana: i Seloma, i Akoba, i Telmôna, i Ahimàna, mbamin’ny rahalahin’ireo; i Seloma no lehibe,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny mpiandry varavarana dia i Saloma, i Akoba, i Talmona, i Ahimana ary ny rahalahiny, fa i Saloma no lohany;

Jereo ny toko



1Tantara 9:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia niverina tany an-tanàna izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: –Tonga tany an-tobin’ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon’olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.


ny efatra arivo ho mpiandry varavarana; ary ny efatra arivo ho mpidera ny TOMPO amin’ny zava-maneno namboariko hiderana Azy.


i Hôbadià, zanakalahin’i Semahià sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotòna; i Berekià, zanakalahin’i Asà sy zafin’i Elkanà, izay nonina tao amin’ireo tanànan’ny Netôfatita.


Ireo no mpiandry vavahady tamin’ny tobin’ny levîta; ary ny taranany, mandraka izao, no eo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka, dia ny vavahady atsinanana.


Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy.


Ny amin’ny mpiandry varavarana koa dia ny terak’ireto olona manaraka ireto: i Saloma, i Atera, i Talmôna, i Hakoba, i Hatità, ary i Sôbay; ka nisy lehilahy 139.


Ny mpiandry varavarana dia i Hakoba sy i Talmôna mbamin’ny namany izay niambina ny vavahady, ka 172 no isany.