Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 9:13 - DIEM PROTESTANTA

Ireo mbamin’ny mpisorona havany, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia nisy 1 760: lehilahy mahery teo amin’ny fanaovana fanompoana tao an-tranon’Andriamanitra izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny rahalahin’ireo, izay samy loham-pianakaviany avy, dia enimpolo sy fitonjato sy arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo mbamin’ny mpisorona havany, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia nisy 1 760: lehilahy mahery teo amin’ny fanaovana fanompoana tao an-tranon’Andriamanitra izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ary ny rahalahin’izy ireo, izay loham-pianakaviany avy, dia nisy lehilahy mahery 1.760 mba hanatanteraka ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny rahalahin’ireo, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny rahalahin’ireo, izay samy loham-pianakaviany avy, dia enimpolo sy fitonjato sy arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra ireo.

Jereo ny toko



1Tantara 9:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taranak’i Hebrôna, dia i Hasabià sy ny havany, izay nisy olom-banona 1 700 lahy, no mpifehy ny faritr’i Israely andrefan’i Jôrdàna amin’ny raharaha rehetra momba ny TOMPO sy momba ny fanompoana ny mpanjaka.


I Jerià mbamin’ny havany dia nisy 2 700 lahy, samy olom-banona loham-pianakaviany avy, ka notendren’i Davida mpanjaka hifehy ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’i Manase amin’ny raharaha rehetra momba an’Andriamanitra sy momba ny mpanjaka.


I Semahià zanany dia niteraka zazalahy maromaro izay samy olom-banona ka tonga mpanapaka tao amin’ny isam-pianakaviany avy.


i Hadaià, zanakalahin’i Jerôhama sy zafin’i Pasehora ary zafiafin’i Malkià; i Mahesay, zanakalahin’i Hadiela sy zafin’i Jahazerà sy zafiafin’i Mesolama sy zafin-dohalik’i Mesilemôta ary zafin-kitrokelin’i Imera.


Tamin’ny levita: dia i Semahià, zanakalahin’i Hasoba sy zafin’i Hazrikama ary zafiafin’i Hasabià izay isan’ny taranak’i Merarỳ;


ary koa lehilahy tomady 128 iray tarika amin’i Hamasay, ka ny mpifehy azy dia i Zabdiela zanakalahin’i Gedôlima.