Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 8:33 - DIEM PROTESTANTA

I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkisa ary i Abinadaba sy i Esbahala.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkisa ary i Abinadaba sy i Esbahala.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkiasoa, i Abinadaba ary i Esbaala.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Nera niteraka an’i Kisy; ary Kisy niteraka an’i Saoly; ary Saoly niteraka an’i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala.

Jereo ny toko



1Tantara 8:33
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa nentin’i Abinera zanakalahin’i Nera sady lehiben’ny tafik’i Saoly nankany Mahanaîma i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly,


Ary nomen’i Davida baiko ireo zatovony ka namono nahafaty an’i Rekaba sy i Bahanà. Avy eo dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin’ny dobo tao Hebrôna. Fa ny lohan’i Isbôsèta kosa dia nentina ka nalevina tao amin’ny fasan’i Abinera tao Hebrôna.


I Miklôta no ray niteraka an’i Simeama: izy mianaka ireto dia niara-monina tamin’ny mpiray foko namany tany Jerosalema, ka nifanandrify fonenana taminy.


Ny zanakalahin’i Jônatàna dia i Merîbahala; i Meribahala no ray niteraka an’i Mikà.


Avy eo nangataka mpanjaka izy ireo ka dia nomeny azy nandritra ny efapolo taona i Saoly, zanakalahin’i Kisy sady avy tamin’ny fokon’i Benjamîna.


Nilofo nanenjika an’i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina ka nahafaty an’i Jônatàna sy i Abinadaba ary i Melkisa, izay samy zanakalahin’i Saoly.


Tamin’izany fotoana izany, dia nisy lehilahy tsongoin’olom-bolo avy amin’ny fokon’i Benjamîna natao hoe Kisy. Izy dia zanakalahin’i Abièla sy zafikelin’i Tserôra ary zafiafin’i Bekôrata sy zafindohalik’i Afia.


Ary i Kisy nanan-janakalahy atao hoe Saoly izay tovolahy sady taviny no volony; tsy nisy teo amin’i Israely nihoatra azy tamin’ny hatsaran-tarehy, ary nanatombo halavana amin’ny olon-drehetra koa izy.