1Tantara 6:16 - DIEM PROTESTANTA Taranak’i Levỳ no voatendrin’i Davida hihira tao an-tranon’ny TOMPO, niantomboka hatramin’ny nametrahana tao ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no notendren’i Davida ho mpiventy hira tao amin’ny tranon’NY TOMPO, rehefa voapetraka tao ny vata misy ny Fanekena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taranak’i Levỳ no voatendrin’i Davida hihira tao an-tranon’ny TOMPO, niantomboka hatramin’ny nametrahana tao ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana. Baiboly Katolika Ireto no voatendrin’i Davida hitari-kira, tao an-tranon’i Iaveh, niantomboka hatramin’ny nahazoan’ny fiara fitoeram-pijanonana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no notendren’i Davida ho mpiventy hira tao amin’ny tranon’i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara, Malagasy Bible Ary izao no notendren'i Davida ho mpiventy hira tao amin'ny tranon'i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara, La Bible en Malgache Izao no notendren’i Davida ho mpiventy hira tao amin’ny tranon’NY TOMPO, rehefa voapetraka tao ny vata misy ny Fanekena*. |
Ireo lehiben’ny levita kosa nasain’i Davida hanendry ny namany izay tokony hihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary ny kipantsona, ka hampanakoako ny feon-kira ho mariky ny firavoravoana.
Dia nentina ny Vatamasina ka napetraka tao afovoan’ny tranolay izay efa namboarin’i Davida ho azy. Avy eo dia nisy sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana natolotra teo anatrehan’Andriamanitra.
I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:
i Simehà zanakalahin’i Hozà, i Hagià zanakalahin’i Simehà, ary i Hasaià zanakalahin’i Hagià.
Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.
Ary ireto kosa no anaran’ny taranak’i Levỳ, tao amin’ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin’i Levỳ, dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levỳ.
Toy izao no voaisa ho taranak’i Levỳ, araka ny tarika tao aminy: ny Gersônita avy tamin’i Gersôna; ny Kehatita avy tamin’i Kehata; ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.