Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 5:6 - DIEM PROTESTANTA

ary i Beerà zanakalahin’i Bahala; io Beerà io, izay nentin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria ho babo, no filohan’ny Reobenita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

i Bera no zanakalahin’i Baala, izay nobaboin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria; izy no loham-pirenen’ny Robenita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary i Beerà zanakalahin’i Bahala; io Beerà io, izay nentin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria ho babo, no filohan’ny Reobenita.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

i Beerà zanany, izay nobaboin’i Telgata-Falasara mpanjakan’i Asiria; anisan’ny loham-pirenena Robenita izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Bera no zanakalahin’i Bala, izay nobaboin’i Tiglato-pilesera, mpanjakan’i Asyria; izy no loham-pirenen’ny Robenita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

i Bera no zanakalahin’i Baala, izay nobaboin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria; izy no loham-pirenen’ny Robenita.

Jereo ny toko



1Tantara 5:6
6 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.


Tamin’izay i Ahaza no nandefa iraka ho amin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria hilaza hoe: «Izaho dia mpanomponao sy zanakao; koa tongava hanafaka ahy amin’ny mpanjakan’i Siria sy i Israely izay nanafika ahy.»


Dia nampirisihin’ilay Andriamanitr’i Israely i Pola sy i Tiglato-Pilesera samy mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Reobenita sy ny Gadîta ary ny antsasaky ny fokon’i Manase sady nentiny tany Halà sy Habôra sy Harà ary tany amoron’ny ony Gôzàna, ka mbola any ireo mandraka androany.


i Mikà zanakalahin’i Simehỳ, i Reaià zanakalahin’i Mikà, i Bahala zanakalahin’i Reaià,


Ny rahalahin’i Beerà, araka ny fianakaviany avy, dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny taranany; ka ny voalohany dia i Jehiela, ny manaraka dia i Zakarià,


Dia tonga i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria kanefa nanao fahirano an’i Ahaza fa tsy nanampy azy akory.