Nataony sesitany i Jerosalema iray manontolo, dia ny filoham-bahoaka rehetra sy ny mpanankarena rehetra, izany hoe voasesitany miisa 10 000 ankoatra ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy; ireo vahoaka madinika sy mahantra no sisa navelany.
1Tantara 4:14 - DIEM PROTESTANTA I Mehônôtahy no ray niteraka an’i Hôfrà; ary i Seraià no ray niteraka an’i Jôaba razamben’ny ao Geharasima na hoe Lohasahan’ny mpiasa, fa mpiasa izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Meonotahy no niteraka an’i Ofra; i Seraia no niteraka an’i Joaba, rain’ny ao an-dohasahan’ny mpiasa; fa mpahay taozavatra izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Mehônôtahy no ray niteraka an’i Hôfrà; ary i Seraià no ray niteraka an’i Jôaba razamben’ny ao Geharasima na hoe Lohasahan’ny mpiasa, fa mpiasa izy ireo. Baiboly Katolika I Maonatì niteraka an’i Ofrà; i Saraià niteraka an’i Jôaba, rain’ny ao an-dohasan’i Karaskima, fa mpiasa izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Meonotahy niteraka an’i Ofra; ary Seraia niteraka an’i Joaba, razamben’ny ao an-dohasahan’ny mpiasa; fa mpiasa ireo. Malagasy Bible Ary Meonotahy niteraka an'i Ofra; ary Seraia niteraka an'i Joaba, razamben'ny ao an-dohasahan'ny mpiasa; fa mpiasa ireo. La Bible en Malgache I Meonotahy no niteraka an’i Ofra; i Seraia no niteraka an’i Joaba, rain’ny ao an-dohasahan’ny mpiasa; fa mpahay taozavatra izy ireo. |
Nataony sesitany i Jerosalema iray manontolo, dia ny filoham-bahoaka rehetra sy ny mpanankarena rehetra, izany hoe voasesitany miisa 10 000 ankoatra ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy; ireo vahoaka madinika sy mahantra no sisa navelany.
Ny zanakalahin’i Kenaza dia i Hôtniela sy i Seraià; ary ny zanakalahin’i Hôtniela dia i Hatata sy i Mehônôtahy.
Ireo zanakalahin’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè dia i Hiro sy Elà ary i Nahama; ary ny zanakalahin’i Elà dia i Kenaza.
Ny taranak’izy mirahalahy no mpanefy vilany sady mponina tao Netahima sy Gedera; tamin’ny alalan’ny mpanjaka no nonenany tao satria asa ho an’ny mpanjaka no nataony.