Ary notendren’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka handimby an’i Jôiakina i Matanià rahalahin-drainy, ka novany ho Tsedekià ny anarany.
1Tantara 3:16 - DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Jôiakima dia i Jekônià sy i Tsedekià. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Joiakima dia i Jekonia ary i Zedekia no zanak’i Jekonia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Jôiakima dia i Jekônià sy i Tsedekià. Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Jôakima: i Jekôniasa zanany, i Sedesiasa zanany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’i Jekonia. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak'i Jekonia. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Joiakima dia i Jekonia ary i Zedekia no zanak’i Jekonia. |
Ary notendren’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka handimby an’i Jôiakina i Matanià rahalahin-drainy, ka novany ho Tsedekià ny anarany.
Ary rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôiakima, dia i Jôiakina zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Feno 18 taona i Jôiakina fony tonga mpanjaka; ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nehostà zanakavavin’i Elnatàna avy ao Jerosalema.
Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna; koa tamin’ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.
Ny zanakalahin’i Josià dia i Johanàna no lahimatoa, i Jôiakima no faharoa, i Tsedekià no fahatelo, ary i Saloma no fahefatra.
Kanefa ny TOMPO Andriamanitry ny razany dia nangoraka ilay vahoakany sy ilay fonena-masiny, ka nampitondra teny ireo iraka izay nalefany matetika ho any amin’ny olony.
Feno 18 taona i Jôiakîna, fony tonga mpanjaka; ary telo volana sy folo andro ihany no nanjakany tao Jerosalema, sady nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy.
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo.
Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»
Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nampanjaka an’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià tao Joda mba hisolo an’i Kônià, zanakalahin’i Jôiakima.
I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna.