Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 37:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nampanjaka an’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià tao Joda mba hisolo an’i Kônià, zanakalahin’i Jôiakima.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 I Zedekia mpanjaka, zanak’i Josia, no nanjaka nandimby an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, fa nampanjakain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao amin’ny tanin’ny Joda izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nampanjaka an’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià tao Joda mba hisolo an’i Kônià, zanakalahin’i Jôiakima.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 I Sedesiasa zanak’i Josiasa no nanjaka nandimby an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima; i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna no nanangana azy ho mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Zedekia mpanjaka, zanak’i Josia, dia nanjaka nandimby an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, fa nampanjakain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tao amin’ny tanin’ny Joda izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 I Zedekia mpanjaka, zanak’i Josia, no nanjaka nandimby an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, fa nampanjakain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao amin’ny tanin’ny Joda izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 37:1
11 Rohy Ifampitohizana  

ary nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôiakina mpanjakan’i Joda sy ny reniny mbamin’ny manamboninahiny sy ny filohan-bahoakany ary ny tandapany. Dia nogadrain’ny mpanjakan’i Babilôna ireo tamin’ny taona fahavalo nanjakany.


Ary notendren’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka handimby an’i Jôiakina i Matanià rahalahin-drainy, ka novany ho Tsedekià ny anarany.


Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ho an’i Tsedekià mpanjaka. Fa nirahin’ny mpanjaka hankany amin’i Jeremià i Pasehora zanakalahin’i Malkià ary koa i Tsefanià mpisorona sady zanakalahin’i Mahaseià mba hangataka aminy hoe:


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo.


Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»


Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan’ny tempoliny. Taorian’ny nitondran’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna an’i Jekônià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, sy ireo mpifehy an’i Joda mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilôna no nisehoan’izany.


«Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no mandidy anao hankany amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda mba hilaza izao hafatro izao: Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity mba hodorany amin’ny afo.


Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna. Koa tamin’ny volana faha-12 tao anatin’io taona io, nony andro faha-27,, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra