Nampanaovin’i Salômôna koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’ny TOMPO: dia ny alitara volamena; ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra;
1Tantara 28:16 - DIEM PROTESTANTA ny lanjan’ny volamena ilaina isaky ny latabatra volamena fametrahana ny mofo atolotra an’Andriamanitra, ny lanjan’ny volafotsy ilaina ho an’ny latabatra volafotsy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny lanjan’ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo atao fanatitra, ny amin’ny volafotsy ho amin’ny latabatra volafotsy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny lanjan’ny volamena ilaina isaky ny latabatra volamena fametrahana ny mofo atolotra an’Andriamanitra, ny lanjan’ny volafotsy ilaina ho an’ny latabatra volafotsy, Baiboly Katolika ny lanjan’ny volamena hanaovana ny latabatry ny mofo alahatra, isan-databatra; ny volafotsy hanaovana ny latabatra volafotsy; Baiboly Protestanta Malagasy ary ny lanjan’ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin’ny volafotsy ho amin’ny latabatra volafotsy, Malagasy Bible ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin'ny volafotsy ho amin'ny latabatra volafotsy, La Bible en Malgache ny lanjan’ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo atao fanatitra, ny amin’ny volafotsy ho amin’ny latabatra volafotsy, |
Nampanaovin’i Salômôna koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’ny TOMPO: dia ny alitara volamena; ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra;
ny lanjan’ny fitoeran-jiro sy fanaovan-jiro volamena araka ny karazany avy, ny lanjan’ny fitoeran-jiro sy fanaovan-jiro volafotsy araka ny karazany avy,
ny lanjan’ireo fitrebika sy loviabe ary kaopy samy volamena madio, ny lanjan’ny siny volamena sy volafotsy araka ny karazany avy,
Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,
Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.
Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany!