Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 26:32 - DIEM PROTESTANTA

I Jerià mbamin’ny havany dia nisy 2 700 lahy, samy olom-banona loham-pianakaviany avy, ka notendren’i Davida mpanjaka hifehy ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’i Manase amin’ny raharaha rehetra momba an’Andriamanitra sy momba ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny rahalahin’i Jeria dia fitonjato sy roa arivo, samy mpiady mahery, loham-pianakaviany avy. Ary nanendry azy ireo i Davida ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny amin’ny raharaha rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Jerià mbamin’ny havany dia nisy 2 700 lahy, samy olom-banona loham-pianakaviany avy, ka notendren’i Davida mpanjaka hifehy ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’i Manase amin’ny raharaha rehetra momba an’Andriamanitra sy momba ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

mbamin’ny rahalahiny, lehilahy maherin’ny 1.700, samy loham-pianakaviana. Ary notendren’i Davida mpanjaka izy ireo hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, amin’ny raharahan’Andriamanitra rehetra sy ny raharahan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan’ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase, ny amin’ny raharahan’Andriamanitra sy ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny rahalahin’i Jeria dia fitonjato sy roa arivo, samy mpiady mahery, loham-pianakaviany avy. Ary nanendry azy ireo i Davida ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny amin’ny raharaha rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny mpanjaka.

Jereo ny toko



1Tantara 26:32
7 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’i Asera, dia nisy miaramila 40 000, zatra ady sy vonon-kiantafika.


ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.


Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.


Toraka ireo rahalahiny, taranak’i Aharôna, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin’ny antsapaka teo anatrehan’i Davida mpanjaka, teo anatrehan’i Tsadôka sy i Abimelèka, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian’ny zokiny na ny fianakavian’ny zandriny.


Ny lehilahy israelita, na isam-batan’olona na loham-pianakaviana, na komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, na manampahefana, dia samy nanompo ny mpanjaka. Io fanompoana io dia ny raharaha rehetra momba ny antokon-tafika, izay nifandimby isam-bolana mandavan-taona. Isaky ny antokon-tafika dia nisy andiany 24;


Ary indro i Amarià mpisorombe no ho lehibenareo amin’ny raharaham-pivavahana rehetra; ary i Zebadià, zanakalahin’i Jismahela sady mpifehy ny taranak’i Joda, no ho lehibenareo amin’ny raharaham-panjakana rehetra. Ny levita no ho mpitantsoratra hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà, ary ny TOMPO anie hiaraka amin’izay manao ny tsara!


Avy eo dia ny lehilahy ao amin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase no nilazan’i Josoa hoe: