Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 26:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Tamin’ny taranak’i Hebrôna, dia i Jerià no filoha; ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana ny amin’ny taranak’i Hebrôna araka ny tetiarana isam-pianakaviana, ka nahitana vatan-dehilahy olom-banona tao Jahizera any Gilehada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ny Hebronita dia i Jeria no lohany. Tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana teo amin’ny Hebronita, araka ny fianakaviany avy, ka nahitana mpiady mahery tao, dia tao Jazera any Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Tamin’ny taranak’i Hebrôna, dia i Jerià no filoha; ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana ny amin’ny taranak’i Hebrôna araka ny tetiarana isam-pianakaviana, ka nahitana vatan-dehilahy olom-banona tao Jahizera any Gilehada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Tamin’ny Hebrônita dia i Jerià no lohany. Ny amin’ny Hebrônita araka ny tetiarana isam-pianakaviana dia nisy fikarohana natao tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida ka nahitana lehilahy mahery teo amin’izy ireo tao i Jazera any Galaada,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin’ny taona fahefa-polo nanjakan’i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Ny Hebronita dia i Jeria no lohany. Tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana teo amin’ny Hebronita, araka ny fianakaviany avy, ka nahitana mpiady mahery tao, dia tao Jazera any Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 26:31
8 Rohy Ifampitohizana  

Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka ary nanjaka efapolo taona izy.


Naharitra efapolo taona no nanjakàn’i Davida tamin’i Israely, ka fito taona tao Hebrôna ary telo amby telopolo taona tao Jerosalema.


Ny zanakalahin’i Hebrôna dia i Jerià no lahimatoa, i Amarià no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo, ary i Jekamehama no fahefatra.


Efapolo taona no nanjakany: ka fito taona tao Hebrôna ary 33 taona tao Jerosalema.


Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:


Ny faritaniny dia mahafaoka ny tanàna Jahezera, ny tanàna rehetra ao Gilehada, ary ny antsasaky ny tanin’ny Hamônita tafapaka hatrany Harôhera akaikin’i Rabà;


i Hesbôna, ary i Jahezera: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra