Tamin’ny fitaovana azon’ireo tamin’ny ady mantsy no nisy nanokanany mba hoenti-miahy ny tranon’ny TOMPO.
1Tantara 26:28 - DIEM PROTESTANTA Ny zavatra rehetra, natokan’i Samoela mpaminany manam-pahitana sy natokan’i Saoly zanakalahin’i Kisy ary natokan’Abnera zanakalahin’i Nera sy natokan’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià ho an’Andriamanitra, dia i Selômôta sy ny havany no mpiandraikitra ny fitahirizana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izay rehetra nohamasinin’i Samoela mpahita sy i Saoly, zanak’i Kisy ary i Abnera, zanak’i Nera sy i Joaba, zanak’i Zeroia, eny, izay rehetra nohamasininy, dia i Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zavatra rehetra, natokan’i Samoela mpaminany manam-pahitana sy natokan’i Saoly zanakalahin’i Kisy ary natokan’Abnera zanakalahin’i Nera sy natokan’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià ho an’Andriamanitra, dia i Selômôta sy ny havany no mpiandraikitra ny fitahirizana azy. Baiboly Katolika Ny zavatra rehetra natokan’i Samoela mpahita, i Saola zanak’i Kisa, i Abnera zanak’i Nera, i Jôaba zanak’i Sarvià sy ny olon-kafa na iza na iza dia teo am-pelatanan’i Selemita mbamin’ireo rahalahiny avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay rehetra nohamasinin’i Samoela mpahita sy Saoly, zanak’i Kisy, sy Abnera, zanak’i Nera, sy Joaba, zanak’i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. Malagasy Bible Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. La Bible en Malgache Ary izay rehetra nohamasinin’i Samoela mpahita sy i Saoly, zanak’i Kisy ary i Abnera, zanak’i Nera sy i Joaba, zanak’i Zeroia, eny, izay rehetra nohamasininy, dia i Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany. |
Tamin’ny fitaovana azon’ireo tamin’ny ady mantsy no nisy nanokanany mba hoenti-miahy ny tranon’ny TOMPO.
Tamin’ny taranak’i Jitsehara, dia i Kenanià sy ny zanany no voatendry hanao ny raharaha fandaminana teo amin’i Israely, ka ho mpifehy sy mpitsara.
Nomeny azy koa ny sarin’izay rehetra efa nokasainy hatao momba ireo kianja ao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ny efitrano rehetra manodidina ireo kianja: efitrano fitahirizana ny zava-tsarobidin’ny tranon’Andriamanitra sy fitahirizana ny zava-tsarobidy natokana ho an’ny Tompo.
Rehefa hitan’i Saoly ny nandehanan’i Davida nifanandrina tamin’ilay Filistinina, dia nanontany an’i Abinera kômandin’ny tafika izy hoe: –Zanak’iza moa iny tovolahy iny, ry Abinera? Ka novalian’i Abinera hoe: –Velona ny ainao, ry andriamanjaka, fa tena tsy fantatro mihitsy iny tovolahy iny.
Dia hoy i Saoly hoe: –Marina ny anao; andeha àry isika ho any. Ary lasa izy ireo nankany an-tanànan’ilay lehilahin’Andriamanitra. Teny an-dalana izy ireo dia sendra tovovavy nandeha hantsaka izay nanontaniany hoe: –Ao ihany ve ilay mpahita izay? (Fahiny teo amin’ny Israely dia fanaon’ny olona izay te hanontany mivantana an’Andriamanitra ny manao hoe: «Andeha isika ho any amin’ny mpahita.» Fa izay antsoina ankehitriny hoe «mpaminany» manko no nantsoina taloha hoe «mpahita.»)