Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 26:12 - DIEM PROTESTANTA

Anjaran’ny antokon’ireo mpiandry vavahady sy anjaran’ny filohan’ireo vatan-dehilahy ireo ny manao fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO, teo anilan’ireo levita rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo lehiben’ny tonian’ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara raharaha tahaka ireo rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Anjaran’ny antokon’ireo mpiandry vavahady sy anjaran’ny filohan’ireo vatan-dehilahy ireo ny manao fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO, teo anilan’ireo levita rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ireo antokon’ny mpiandry varavarana ireo, ny filohan’izany lehilahy izany, dia samy nanan-draharaha tamin’ny fanompoana tao an-tranon’i Iaveh, teo an’ilan’ireo rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo lohan’ny tonian’ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin’ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo lehiben’ny tonian’ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara raharaha tahaka ireo rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko



1Tantara 26:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia niverina tany an-tanàna izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: –Tonga tany an-tobin’ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon’olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.


Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana.


i Hilkià faharoa, i Tebalià fahatelo ary i Zakarià fahefatra. Ny an’i Hôsà dia nisy 13 lahy ny zanany sy ny havany rehetra no mpiandry vavahady.


Nanao antsapaka izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany, ny amin’ny vavahady tsirairay avy.


ka dia ireo sy ny taranany hatrany no teo amin’ny vavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy teo akaikin’ny Tranolay fihaonana, mba hiambina azy.


Ilay levita atao hoe Kôrà, zanakalahin’i Jimnà sady mpiandry ny varavarana atsinanana, no nisahana ny fanati-tsitrapo ho an’Andriamanitra ary nizara ny zavatra navahana ho an’ny TOMPO sy ny zava-masina indrindra.


Ireo mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny toerany araka ny fepetra nataon’i Davida ary koa nataon’i Asafa sy i Hemàna mbamin’i Jedotòna izay samy mpanoro hevitra ny mpanjaka; ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady. Noho ireo tsy afaka niala tamin’ny fanompoany, dia ny levita namany koa no nanamboatra ny sakafo Paska ho azy.