Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 9:23 - DIEM PROTESTANTA

23 ka dia ireo sy ny taranany hatrany no teo amin’ny vavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy teo akaikin’ny Tranolay fihaonana, mba hiambina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny tranolay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 ka dia ireo sy ny taranany hatrany no teo amin’ny vavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy teo akaikin’ny Tranolay fihaonana, mba hiambina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Izy ireo sy ny taranany no tao amin’ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, ny tranon’ny tabernakla, mba hiandry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ny tranon’i Jehovah, dia ny trano-lay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny tranolay.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 9:23
9 Rohy Ifampitohizana  

Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an’ny taranak’i Aharôna rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO.


Anjaran’ny antokon’ireo mpiandry vavahady sy anjaran’ny filohan’ireo vatan-dehilahy ireo ny manao fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO, teo anilan’ireo levita rahalahiny.


Ny isan’izy rehetra voafidy ho mpiandry vavahady sy varavarana dia 212. Voasoratra tany amin’ny tanàna fiaviany avy ireo. I Davida sy i Samoela, ilay mpaminany isehoam-pahitana, no nanendry ny razambeny hanao izany raharaha izany noho ny toetra mahatoky nananany;


Izy efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady no nanankinana ny vavahady efatra, dia teo atsinanana sy andrefana ary teo avaratra sy atsimo;


Dia nametrahan’i Jôiadà mpiandry varavarana teo am-bavahadin’ny tranon’ny TOMPO mba tsy hisy zavatra na olona maloto ara-pivavahana ho tafiditra ao na inona na inona antony.


sady nisahana ny tokony hotandremany momba an’Andriamaniny sy momba ny fidiovana. Toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, izay nanaraka ny fandaharana nataon’i Davida sy i Salômôna zanany;


Nolazain-dralehilahy tamiko fa ny efitra mitodika mianatsimo dia voatokana ho an’ny mpisorona misahana raharaha momba ny tempoly;


Ny hany hampisahaniko azy dia ny anjara raharahany ao an-tempoly momba ireo fanompoana rehetra sy fanao rehetra ao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra