Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
1Tantara 24:19 - DIEM PROTESTANTA Izany no fitsinjarana ny taranak’i Aharôna ho antokony amin’ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an-tranon’ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin’ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nampitan’i Aharôna razambeny azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay hidirany ao amin’ny tranon’NY TOMPO araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany no fitsinjarana ny taranak’i Aharôna ho antokony amin’ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an-tranon’ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin’ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nampitan’i Aharôna razambeny azy. Baiboly Katolika Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon’i Iaveh, araka ny fandaharana nomena azy, tamin’ny alalan’i Aarôna, rainy, araka ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay idirany ao an-tranon’i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy. Malagasy Bible Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy. La Bible en Malgache Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay hidirany ao amin’ny tranon’NY TOMPO araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, azy. |
Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
Ny amin’ireo levita sisa dia izao: Tamin’ny taranak’i Hamrama dia i Sobaela; ary tamin’ny zanakalahin’i Sobaela dia i Jehedeià.
I Aharôna sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin’ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra.
ny havany mpiara-miasa aminy kosa dia nonina tany amin’ny tanànany avy ary nasaina ho tonga, isaky ny fotoanandrony, mba hiasa mandritra ny herinandro.
Koa izao no hataonareo: ianareo mpisorona sy levita izay milatsaka amin’ny andro sabata, dia aoka ny ampahatelonareo ho mpiandry ny varavaran’ny tempoly,
Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody.
Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan’Andriamanitra tao an-tempoly i Zakarià, satria tonga ny anjaran’ny antokony.
Foto-javatra tamin’ny lalàna nomena ny vahoaka Israely ny fisoronan’i Levỳ. Koa raha nahatratra ny fanaperana tokoa ny fisoronan’i Levỳ, dia ho tsy nilaina intsony ny hisehoana Mpisorona anankiray hafa indray, dia Mpisorona araka ny fomban’i Melkitsedeka fa tsy tendrena araka ny fomban’i Aharôna;