Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 6:34 - DIEM PROTESTANTA

34 I Aharôna sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin’ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Fa i Arona sy ny zanany lahy no nandoro ho fofona ny fanatitra teo ambonin’ny alitara fanolorana ny fanatitra dorana manontolo sy teo ambonin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; izy ireo no nisahana ny raharaha rehetra ao amin’ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an’ny Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 I Aharôna sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin’ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 I Aarôna sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana, sy ny emboka teo ambonin’ny ôtelin’ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanatanteraka ny raharaha ao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an’i Israely, araka izay nandidian’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Fa Arona sy ny zanani-lahy no nanatitra teo ambonin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin’ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an’ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin'ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Fa i Arona sy ny zanany lahy no nandoro ho fofona ny fanatitra teo ambonin’ny alitara fanolorana ny fanatitra dorana manontolo sy teo ambonin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; izy ireo no nisahana ny raharaha rehetra ao amin’ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an’ny Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 6:34
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo.


Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.


Izany no fitsinjarana ny taranak’i Aharôna ho antokony amin’ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an-tranon’ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin’ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nampitan’i Aharôna razambeny azy.


Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra.


Ireto avy ny taranak’i Aharôna: i Elehazara zanakalahin’i Aharôna, i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara, i Abisoa zanakalahin’i Pinehasa,


Ianareo kosa, manaova fanarenan-javatra ankehitriny ka aza malaina, satria ianareo no voafidin’ny TOMPO hiatrika Azy mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sy ho mpandraharahany ary ho mpandoro vovo-javamanitra ho Azy.


«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.


Isa-maraina dia handoro vovo-javamanitra eo i Aharôna rehefa hanadio ny fitoeran-jiro ao amin’ny Toeramasina,


fa ireo taranak’i Aharôna mpisorona kosa hanisy vainafo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo ambonin’ny vainafo;


Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Tsy tokony hisy olona eo amin’ny Tranolay fihaonana, manomboka hatreo amin’ny idiran’i Aharôna hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka mandra-pialany tao. Rehefa vita ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ho an’ny ankohonany ary ho an’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo,


ary hamafazany ra impito amin’ny fanondro koa ny alitara. Dia toy izany no hanadiovan’i Aharôna ny alitara ho afaka amin’ny fahalotoan’ny Israelita ka hamerenan-kasina azy indray.


Tao Ramà, tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, dia nisy lehilahy anankiray anisan’ny taranak’i Tsofo. Io lehilahy io dia natao hoe Elkanà, zanak’i Jerohama, zafikelin’i Elihò, zafiafin’i Tôhò ary zafindohalik’i Tsofo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra