Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 22:4 - DIEM PROTESTANTA

ary hazo sedera tsy hita isa, fa nitondran’ny Tsidônianina sy ny Tirianina hazo sedera betsaka i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

sy hazo sedera tsy hita isa koa; fa ny mponina tany Sidona sy Tiro dia nitondra hazo sedera betsaka ho any amin’i Davida.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary hazo sedera tsy hita isa, fa nitondran’ny Tsidônianina sy ny Tirianina hazo sedera betsaka i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

hazo sedera tsy hita isa, fa nanateran’ny Sidonianina sy ny Tirianina hazo sedera sesehena, i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin’i Davida.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin'i Davida.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

sy hazo sedera tsy hita isa koa; fa ny mponina tany Sidona sy Tiro dia nitondra hazo sedera betsaka ho any amin’i Davida.

Jereo ny toko



1Tantara 22:4
5 Rohy Ifampitohizana  

Naniraka olona hankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an’i Davida ireo.


Fa indro aho efa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro, dia trano izay hatokako ho Azy; ao no handoroana vovo-javamanitra eo anatrehan’ny Tompo sy hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka ary hanolorana sorona dorana manontolo, dia ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy isan-kariva ary koa izay fanao amin’ny sabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fetin’ny TOMPO Andriamanitray; ho fepetra raikitra ho an’ny Israelita izany.


Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidônianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dàlana nomen’i Kirôsa amperôran’i Persia no nanaovan’ny Israelita izany.


Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,