–Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity.
1Tantara 22:17 - DIEM PROTESTANTA Avy eo i Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin’i Israely hanampy an’i Salômôna zanany lahy hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nandidy ny lehibe rehetra tamin’ny Israely i Davida mba hanampy an’i Solomona zanany ka hoy izy: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo i Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin’i Israely hanampy an’i Salômôna zanany lahy hoe: Baiboly Katolika Nandidy ny lehibe rehetra amin’i Israely koa i Davida hanampy an’i Salômôna zanany, ka hoy izy: Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin’ny Isiraely hanampy an’i Solomona zanany hoe: Malagasy Bible Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely hanampy an'i Solomona zanany hoe: La Bible en Malgache Ary nandidy ny lehibe rehetra tamin’ny Israely i Davida mba hanampy an’i Solomona zanany ka hoy izy: |
–Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity.
Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany.
Tamin’zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan’ireo fokon’i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin’ny mpiandraiki-draharahan’ny mpanjaka
Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan’ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin’i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.