Ary natahotra izy ka nanao hoe: –Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra.
1Tantara 22:1 - DIEM PROTESTANTA Ka hoy i Davida hoe: «Eto no tranon’ny TOMPO Andriamanitra ary eto no alitara fanoloran’ny Israelita sorona dorana manontolo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Davida: Eto no ho tranon’NY TOMPO Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy i Davida hoe: «Eto no tranon’ny TOMPO Andriamanitra ary eto no alitara fanoloran’ny Israelita sorona dorana manontolo.» Baiboly Katolika Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i Iaveh Andriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Davida: Eto no ho tranon’i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an’ny Isiraely. Malagasy Bible Dia hoy Davida: Eto no ho tranon'i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an'ny Isiraely. La Bible en Malgache Dia hoy i Davida: Eto no ho tranon’NY TOMPO Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny Israely. |
Ary natahotra izy ka nanao hoe: –Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra.
Nankany amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay ka nanao taminy hoe: –Miakara any am-pamoloan’i Araonà izay Jebôsita ianao, ka manangana alitara ho an’ny TOMPO.
«Angamba ianareo hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekià, no nanafoana ireo toeram-pisoronana aman’alitarany, ka nandidy ny mponin’i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan’ny alitaran’i Jerosalema ihany.»
nefa tsy afaka nankany i Davida mba hanontany an’Andriamanitra, satria natahorany loatra ny sabatr’ilay anjelin’ny TOMPO.
Dia nanomboka nanao ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema i Salômôna ka teo amin’ny tendrombohitra Môrià, izay nisehoan’ny Tompo tamin’i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin’i Davida tao amin’ny famoloan’i Ôrnàna izay lehilahy jebosita.
Kanefa io Hezekià io koa no nandrava ireo toeram-pisoronana aman’alitarany, ka nandidy ny mponin’i Joda sy i Jerosalema mba tsy hanao fanompoam-pivavahana afa-tsy eo anoloan’ny alitara tokana ary tsy handoro sorona hanetona afa-tsy eo ihany?
Avy hatrany ilay nandray denàry 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denàry 30 000.
Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.
fa ilay toerana nofidin’ny TOMPO amin’ny fokonareo anankiray ihany no hanoloranareo ireny, sady hanaovanareo koa ny zavatra rehetra nandidiako anareo.