Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 2:7 - DIEM PROTESTANTA

Ny zanakalahin’i Karmỳ dia i Hakàna izay nampidi-doza an’i Israely tamin’ny nandikàny ny didy momba ny zavatra natokana ho an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanakalahin’i Karmy dia i Akara, izay nampidi-doza ny Israely tamin’ny nandikany ny didy ny amin’ny zavatra voaozona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zanakalahin’i Karmỳ dia i Hakàna izay nampidi-doza an’i Israely tamin’ny nandikàny ny didy momba ny zavatra natokana ho an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Zanak’i Karmì: i Akara izay nanahirana an’i Israely, tamin’ny fahadisoany momba ny zavatra natao anatema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakalahin’i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin’ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin’ny zavatra voaozona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanakalahin’i Karmy dia i Akara, izay nampidi-doza ny Israely tamin’ny nandikany ny didy ny amin’ny zavatra voaozona.

Jereo ny toko



1Tantara 2:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimrỳ sy i Etàna, i Hemàna sy i Kalkôla ary i Darà: dimy izy rehetra.


Ny zanakalahin’i Etàna dia i Hazarià.


Ny zanakalahin’i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirôna mbamin’i Karmỳ sy i Hora ary i Sôbala.


angony eo afovoan’ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanàna sy ireo entana ireo mba hafoy ho an’ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanàna aolo lalandava izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.


Aza mampiditra sarin-tsampy ao an-tranonareo ianareo, fandrao ho mendrika haringana miaraka aminy; ho hàlanareo indrindra sy ho zava-mahatsiravina tokoa eo imasonareo izany, satria zavatra tsy maintsy haringana tanteraka.


Moa tsy i Hakàna zanakalahin’i Zera ve no nandika ny fepetra momba ny zavatra natao hafoy ho an’ny TOMPO, kanefa dia ny fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO? Ary tsy i Hakàna irery ihany no maty tamin’ny fahadisoany.


Kanefa mitandrema ianareo fandrao hitsiriritra ireo zavatra haringana hafoy ho an’ny Tompo ka maka amin’ireo, fa hitondra loza sy fandravana ho an’ny tobin’i Israely ianareo.


Dia hoy i Josoa tamin’i Hakàna: –Nampidi-doza anay loatra ianao! Koa hahatonga loza aminao kosa ny Tompo anio! Dia novonoin’ny Israelita rehetra tamin’ny tora-bato i Hakàna. (Novonoiny toy izany koa ny ankohonany, ary indray nodorany tamin’ny afo ny fananany rehetra).