Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 2:6 - DIEM PROTESTANTA

Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimrỳ sy i Etàna, i Hemàna sy i Kalkôla ary i Darà: dimy izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimry, i Etana, i Hemana, i Kalkola ary i Dara; dimy lahy no isany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimrỳ sy i Etàna, i Hemàna sy i Kalkôla ary i Darà: dimy izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Zanak’i Zarà: i Zamrì, i Etàna, i Emàna, i Kalkala, ary i Darà: dimy lahy izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakalahin’i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimry, i Etana, i Hemana, i Kalkola ary i Dara; dimy lahy no isany.

Jereo ny toko



1Tantara 2:6
7 Rohy Ifampitohizana  

Hendry noho ny olon-drehetra izy fa nihoarany avokoa na i Etàna ilay Ezrahita, na i Hemàna, na i Kalkôla, na i Dardà zanakalahin’i Mahôla; koa niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.


Ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


Ny zanakalahin’i Karmỳ dia i Hakàna izay nampidi-doza an’i Israely tamin’ny nandikàny ny didy momba ny zavatra natokana ho an’Andriamanitra.


Tononkira. Salamo nataon’ny terak’i Kôra. Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina amin’ny feo malahelohelo. Tononkalo fananarana avy amin’i Hemàna zanakalahin’i Zerà.


Nanao fahadisoana bevava ny Israelita tamin’ny fandikana didy momba ireo zavatra voatokana hafoy ho an’ny TOMPO; fa naka zavatra sasany tamin’ireo i Hakàna, zanakalahin’i Karmỳ sy zafin’i Zabdià ary zafiafin’i Zera sady anisan’ny fokon’i Joda, koa tezitra tamin’ny Israelita ny Tompo.