Ary rehefa feno enimpolo taona i Hetsirôna, dia nalainy ho vady ny zanakavavin’i Makira rain’i Gilehada ka niterahany an’i Segoba.
1Tantara 2:22 - DIEM PROTESTANTA I Segoba no ray niteraka an’i Jaîro izay nanana tanàna telo amby roapolo tao amin’ny tanin’i Gilehada. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary i Segoba no niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roapolo tany amin’ny tany Gileada. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Segoba no ray niteraka an’i Jaîro izay nanana tanàna telo amby roapolo tao amin’ny tanin’i Gilehada. Baiboly Katolika I Segoba niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna 23 tany amin’ny tany Galaada. Baiboly Protestanta Malagasy ary Segoba niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin’ny tany Gileada. Malagasy Bible ary Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin'ny tany Gileada. La Bible en Malgache ary i Segoba no niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roapolo tany amin’ny tany Gileada. |
Ary rehefa feno enimpolo taona i Hetsirôna, dia nalainy ho vady ny zanakavavin’i Makira rain’i Gilehada ka niterahany an’i Segoba.
Fa nalain’ny Gesorita sy ny Sirianina ireo tanànan’i Jaîro miaraka amin’i Kenata renivohitra sy ny tanàna kely manodidina azy; tanàna enimpolo no fitambarany. Ny mponina rehetra tamin’ireo tanàna ireo dia taranak’i Makira, rain’i Gilehada.
Koa nomen’i Mosesy an’ireo taranak’i Makira zanakalahin’i Manase i Gilehada ary dia nipetraka tao ireo.
Mba lasa koa ny taranak’i Jaîro zanakalahin’i Manase naka ny tanàna madinika teo amin’ny Amôrita ka nanome anarana azy hoe «Havôta-Jaîro».
Ireo terak’i Jaîro zanakalahin’i Manase no nahazo ny faritany Argôba manontolo, mipaka amin’ny sisintanin’ny Gesorita sy Mahekatita; dia nantsoina hoe Havôta-Jaîro izany faritra izany araka ny anarana entiny mandraka androany.)
Ny faritaniny dia manomboka eo Mahanaîma ao atsimo ary mahafaoka an’i Basàna manontolo, izany hoe ny fanjakana manontolo izay an’i Hôga mpanjaka tao Basàna, mbamin’ny fitambaran’i Havôta-Jaîro, izay tanàna enimpolo tao Basàna;