1Tantara 2:16 - DIEM PROTESTANTA Ny anabavin’izy fito lahy dia i Tseroià sy i Abigaîla; telo no zanakalahin’i Tseroià: dia i Abisay sy i Jôaba ary i Hasahela. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny anabavin-dry zareo dia i Zeroia sy i Abigaila; telo ny zanakalahin’i Zeroia, dia i Abisay, i Joaba ary i Asahela; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny anabavin’izy fito lahy dia i Tseroià sy i Abigaîla; telo no zanakalahin’i Tseroià: dia i Abisay sy i Jôaba ary i Hasahela. Baiboly Katolika Ny anabavin’ireo dia i Sarvià sy i Abigaila. Zanak’i Sarvià: i Abisaia, i Jôaba, i Asaela, telo lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Zeroia sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela; Malagasy Bible Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela; La Bible en Malgache ny anabavin-dry zareo dia i Zeroia sy i Abigaila; telo ny zanakalahin’i Zeroia, dia i Abisay, i Joaba ary i Asahela; |
Notendren’i Absalôma ho lehiben’ny tafika hisolo an’i Jôaba i Hamasà. Io Hamasà io dia zanakalahin’ilay Israelita atao hoe Jitrà, ilay niray tamin’i Abigaîla zanakavavin’i Nahasy ary rahavavin’i Tseroià, renin’i Jôaba.
Fa namaly i Abisay, zanakalahin’i Tseroià ka nanao hoe: –Maivana raha izany no antony tsy hahafaty an’i Simehỳ, satria efa nanozona ny mpanjaka voahosotry ny TOMPO izy.
Dia niainga koa i Jôaba zanakalahin’i Tseroià sy ny mpanompon’i Davida; ka tafahoana teo akaikin’ny dobo tao Gibehôna ny roa tonta ary samy naka toerana nifanatrika teo amoron’ny dobo.
Fa izaho, na dia mpanjaka efa voahosotra aza, dia mahatsiaro ny tenako ho mbola malemy ankehitriny; ary ireo zanakalahin’i Tseroià ireo dia mahery setra loatra miohatra amiko. Ny TOMPO anie hanafay azy araka ny ratsy nataony.
I Abisay, rahalahin’i Jôaba, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy, kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy».
Dia niteny i Davida ka nangataka tamin’i Ahimelèka izay Hetita sy tamin’i Abisay zanak’i Tseroià sy rahalahin’i Jôaba hoe: –Iza aminareo roa lahy no hiaraka amiko ho any amin’ny tobin’i Saoly? Dia namaly i Abisay hoe: –Izaho no hiaraka aminao.