Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 11:20 - DIEM PROTESTANTA

20 I Abisay, rahalahin’i Jôaba, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy, kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 I Abisay, rahalahin’i Joaba, no lehibe tamin’izy telo lahy; izy koa no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka nahafaty azy, dia izy no nalaza tamin’izy telo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 I Abisay, rahalahin’i Jôaba, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy, kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 I Abisaï, rahalahin’i Jôaba lehiben’ny Telopolo lahy, dia nampandihy ny lefony tamin’ny lehilahy telon-jato, ka nahafaty an’ireo, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary Abisay, rahalahin’i Joaba, no lehibe tamin’izy telo lahy; fa izy koa namely telon-jato lahy tamin’ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’izy telo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 I Abisay, rahalahin’i Joaba, no lehibe tamin’izy telo lahy; izy koa no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka nahafaty azy, dia izy no nalaza tamin’izy telo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 11:20
10 Rohy Ifampitohizana  

Nasain’i Davida hiainga ny tafiny; ka ny ampahatelony nofehezin’i Jôaba, ny ampahatelony hafa nofehezin’i Abisay zanakalahin’i Tseroià sady rahalahin’i Jôaba, ary ny ampahatelo farany nofehezin’i Itàhy izay avy any Gata. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireto miaramila: «Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo».


Nanatrika teo koa ny zanak’i Tseroià telo lahy dia i Jôaba sy i Abisay ary i Asahela; ity Asahela ity dia faingaim-pandeha toy ny gazela any an-taniefitra,


Ka hoy i Davida tamin’i Abisay: –Ankehitriny dia efa mampidi-doza antsika mihoatra noho i Absalôma i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ. Koa ento ny miaramila mpiambina ahy, dia enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda, ka ho dify ny masontsika.


Fa tonga nanampy azy i Abisay zanakalahin’i Tseroià ka namely ary nahafaty an’ilay Filistinina. Tamin’izay ireo olon’i Davida dia nianiana taminy hoe: «Tsy hiara-miainga aminay intsony ianao ho amin’ny ady, mba tsy hamonoanao ho faty ny fahazavan’i Israely.»


Toy izany no namonoan’i Jôaba sy i Abisay rahalahiny an’i Abinera ho faty noho ny namonoany an’i Asahela rahalahiny tamin’ny ady tao Gibehôna.


sady hoy izy hoe: –Fady ahy eo anatrehan’Andriamanitra ny hisotro izany, fa midika ho misotro ny ran’ireo lehilahy nandeha nanao vy very ny ainy naka azy! Koa tsy nety nisotro i Davida. Izany no zava-bitan’ireo telo lahy maherifo ireo.


Nomen-kaja avo roa heny kosa i Abisay teo amin’ny «andian’ny telopolo lahy» ka lasa lehibeny; saingy tsy afaka nifaninana tamin’ny «Tariky ny telo lahy» izy.


Ny anabavin’izy fito lahy dia i Tseroià sy i Abigaîla; telo no zanakalahin’i Tseroià: dia i Abisay sy i Jôaba ary i Hasahela.


Dia niteny i Davida ka nangataka tamin’i Ahimelèka izay Hetita sy tamin’i Abisay zanak’i Tseroià sy rahalahin’i Jôaba hoe: –Iza aminareo roa lahy no hiaraka amiko ho any amin’ny tobin’i Saoly? Dia namaly i Abisay hoe: –Izaho no hiaraka aminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra