Dia nampidirina ny Vatamasin’ny TOMPO ka napetraka teo amin’ny toerana voatokana tao anatin’ny tranolay izay efa natsangan’i Davida ho azy. Ary i Davida avy eo nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan’ny TOMPO.
1Tantara 17:5 - DIEM PROTESTANTA Fa tsy mbola nitoetra an-tempoly aho hatramin’ny andro nampiakarako ny Israelita avy any Ejipta ka mandraka androany; fa Izaho dia nifindrafindra lay ary nifindrafindra fonenana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Israely niakatra ka mandraka androany fa nifindrafindra tranolay sy nifindrafindra fonenana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tsy mbola nitoetra an-tempoly aho hatramin’ny andro nampiakarako ny Israelita avy any Ejipta ka mandraka androany; fa Izaho dia nifindrafindra lay ary nifindrafindra fonenana. Baiboly Katolika Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny andro nampiakarako an’i Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako. Baiboly Protestanta Malagasy fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka andro-any, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. Malagasy Bible fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. La Bible en Malgache fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Israely niakatra ka mandraka androany fa nifindrafindra tranolay sy nifindrafindra fonenana. |
Dia nampidirina ny Vatamasin’ny TOMPO ka napetraka teo amin’ny toerana voatokana tao anatin’ny tranolay izay efa natsangan’i Davida ho azy. Ary i Davida avy eo nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan’ny TOMPO.
Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny andro nampiarako ny Israelita avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa tao anaty lay sy tao anaty fonena-masina Aho no mifindrafindra toerana.
«Hatramin’ny andro nitondrako an’i Israely vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; nefa kosa nofidiko ianao, ry Davida, hifehy ilay Israely vahoakako.»
«Nefa hety honina marina etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity.
Ny mpisorona sy ny levita no nampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.
Ankehitriny àry, andefaso lehilahy anankiray manam-pahaizana manokana momba ny asa volamena sy volafotsy ary halimo sy vy aho, dia lehilahy havanana koa amin’ny famboarana lamba jaky sy menamena ary volomparasy sady havanana amin’ny asa sokitra; izy io no hiara-miasa amin’ireo mpahaikanto eto amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.
«Nefa hety honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity!
«Hatramin’ny andro nitondrako ny vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; ary tsy mbola nisy koa olona nofidiko ho mpifehy an’i Israely vahoakako.
Fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny voninahitro, ary nifidy anao Aho, ry Davida hifehy ilay Israely vahoakako.»