Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nandritra ny fotoana rehetra nifindrafindrako manerana an’i Israely, dia nanendry ireo mpitsaran’i Israely Aho mba ho mpiandry ny vahoakako; kanefa tsy nisy nomeko tsiny na dia anankiray tamin’ireo mpitsara ireo aza ka nilazako hoe: Nahoana Aho no tsy nanaovanareo trano vita hazo sedera?›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Israely, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Israely izay notendreko ho mpiandry ny oloko ka nilazako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nandritra ny fotoana rehetra nifindrafindrako manerana an’i Israely, dia nanendry ireo mpitsaran’i Israely Aho mba ho mpiandry ny vahoakako; kanefa tsy nisy nomeko tsiny na dia anankiray tamin’ireo mpitsara ireo aza ka nilazako hoe: Nahoana Aho no tsy nanaovanareo trano vita hazo sedera?›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ny anankiray amin’ireo mpitsara an’i Israely izay nasaiko hamahana ny vahoakako, nanao hoe: Nahoana ianao no tsy manao trano sedera ho Ahy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy hianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Israely, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Israely izay notendreko ho mpiandry ny oloko ka nilazako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:6
19 Rohy Ifampitohizana  

Nandritra ny fotoana rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Israelita, dia nanendry olona Aho mba ho mpiandry ny vahoakako; kanefa tsy nisy nomeko tsiny ireo voatendriko ireo na dia iray aza ka nilazako hoe: Nahoana Aho no tsy nanaovanareo trano vita hazo sedera?›


«Hatramin’ny andro nitondrako an’i Israely vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; nefa kosa nofidiko ianao, ry Davida, hifehy ilay Israely vahoakako.»


Fahiny, fony mbola nanjaka aza i Saoly, dia ianao ihany no mpitarika ny miaramilan’i Israely tamin’ny ady. Ary ny TOMPO Andriamanitrao efa nilaza taminao hoe: «Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho mpanapaka azy.»


«Noho izany, lazao koa amin’i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: Izaho no naka anao tao am-piandrasana ondry tany an-kijàna mba hataoko mpanapaka eo amin’ny Israely vahoakako.


Hanendry mpiandry mahafatra-po ho azy Aho, ka tsy hanan-tahotra na horohoro intsony izy, ary tsy hisy ho banga amin’ny fiantsoana. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»


«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian’ondry va no tokony hokarakarainareo?


izy no hitondra fiadanana! –Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina ka hitsofoka hatraty an-dapantsika, dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.


«Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin’ireo tanàna malazan’i Jodea; fa avy aminao no hipoiran’ilay filoha izay ho mpiandry an’i Israely vahoakako.»


Nandritra ny 450 taona eo ho eo izany. Taorian’izany, dia nomen’Andriamanitra mpitsara ny razantsika, mandra-pahatongan’ny andron’i Samoela mpaminany.


Ahoana no hifandraisan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho ary handeha eo afovoany, dia ho Andriamaniny Aho ary izy ireo ho vahoakako.»


Ary mitondrà fantàka miaraka amin’ny fiadianareo; ka raha hihataka hivoaka ianareo, dia io fantàka io no hihadianareo lavaka hivoahana sy hanotofanareo ny dikinareo.


–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efeso: «Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeranjiro volamena fito:


Ary ny TOMPO naniraka an’i Gidehôna sy i Bedàna sy i Jeftà, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin’ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin’ny tany ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra