Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 6:18 - DIEM PROTESTANTA

18 «Nefa hety honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Andriamanitra va honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany tokoa? E! Ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 «Nefa hety honina miaraka amin’ny olona etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 «Fa moa dia marina va fa miara-monina amin’ny olombelona etỳ an-tany Andriamanitra? Indro fa ny lanitra aza, mbamin’ny lanitry ny lanitra tsy omby Anao, ka mainka fa ity trano nataoko ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Andriamanitra va dia honina amin’ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Andriamanitra va dia honina amin'ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:18
21 Rohy Ifampitohizana  

«Nefa hety honina marina etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity.


Nefa iza no afaka manao tempoly ho Azy? Fa ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Azy. Ary iza aho no mihambo hanao tempoly ho Azy, afa-tsy toerana handoroana sorona hanetona eo anatrehany ihany!


Ankehitriny àry, andefaso lehilahy anankiray manam-pahaizana manokana momba ny asa volamena sy volafotsy ary halimo sy vy aho, dia lehilahy havanana koa amin’ny famboarana lamba jaky sy menamena ary volomparasy sady havanana amin’ny asa sokitra; izy io no hiara-miasa amin’ireo mpahaikanto eto amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’i Davida raiko.


Ankehitriny àry, aza mety hofitahin’i Hezekià na ho voasodokany tahaka izao ianareo; aza matoky azy ianareo. Tsy nisy manko andriamanitra, tany amin’ny firenena amam-panjakana isan-tokony, izay nahavonjy ny olony tsy hiharan’ny fahefàn’ireo razako na ny fahefàko; noho izany, ireo andriamanitrareo koa tsy hahavonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko.»


Ankehitriny àry, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, ho to anie ny fampanantenana voalazanao tamin’i Davida mpanomponao.


Na izany aza, ry TOMPO Andriamanitro ô, mba atreho ny vavaka amam-pifònako; eny, mba henoy ny antso sy ny vavaka izay ataoko eto anatrehanao.


koa mainka fa izay olombelona mora potika toa tanimanga, sady vovo-tany no fiaviany! ka mety voaporitra tahaka ny fositra.


Mainka fa Izaho indray ve no hamaly Azy ka hahafantina izay teny hatao aminy?


Kalesy an’arivony aman’alina ireo kalesin’ny Tompo Andriamanitra; ka avy any an-tendrombohitra Sinay Izy no mankao amin’ilay Toeramasina.


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?


Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.


Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy!


Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan’olombelona.


Fantatro fa tokony ho 14 taona lasa izay, dia nisy kristianina anankiray nakarina tany amin’ny lanitra fahatelo. (Asa moa raha nakarina tokoa izy na nisehoam-pahitana fotsiny, Andriamanitra no mahalala.)


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra