Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Saneheriba izahay mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra.»
1Tantara 16:24 - DIEM PROTESTANTA Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny, lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny, lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony. Baiboly Katolika Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny ary amin’ny vahoaka rehetra ny fahagagany. Baiboly Protestanta Malagasy Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, Ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. Malagasy Bible Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. La Bible en Malgache Ambarao any amin’ny Jentilisa* ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony! |
Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Saneheriba izahay mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra.»
Mihirà ho an’ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo, torio isan’andro isan’andro ny namonjeny antsika.
Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.
Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.
Hasaiko amin’ny sakafon-tsorona ny ory: hihinana anie izy ka ho voky! Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy ka ho finaritra ho ela velona!
Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.