ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.
1Tantara 15:14 - DIEM PROTESTANTA Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Baiboly Katolika Dia nanamasin-tena ny mpisorona sy ny Levita, mba hampiakatra ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Malagasy Bible Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. La Bible en Malgache Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. |
ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.
Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO.
Dia namory ny mpiray tarika aminy avy izy ireo, ka samy nidio tena; avy eo dia niditra ny tranon’ny TOMPO mba hanadio izany, araka ny didin’ny mpanjaka mifototra amin’ny tenin’ny TOMPO.
Vitsy loatra ny mpisorona teo ka tsy nahendaka ny hoditr’ireo biby rehetra natao sorona dorana manontolo, dia nanampy azy ny levita mpiray foko aminy mandra-pahavitan’ny raharaha; ary toy izany hatrany no natao mandra-pahavitan’ireo mpisorona sasany ny fidiovan-tenany, satria ny levita dia nazoto kokoa noho ny mpisorona tamin’ny fidiovan-tena.
Dia nivoaka ny Toeramasina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra teo moa dia samy efa nanokan-tena, satria tsy nisy fitandroana ny filaharan’ny antokony tamin’izay).
Samy nidio tena ny mpisorona sy ny levita; ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.