Ankehitriny, itondray mpitendry mozika aho. Raha mbola niangaly mozika ilay mpitendry, dia tonga tamin’i Elisà ny herin’ny TOMPO,
1Tantara 13:8 - DIEM PROTESTANTA Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan’Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin’ny lokanga sy ny valiha mbamin’ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Davida sy ny Israely rehetra kosa dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny hira, ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny kipantsona ary ny trompetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan’Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin’ny lokanga sy ny valiha mbamin’ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra. Baiboly Katolika i Davida sy i Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan’Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin’ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona aman’anjomara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra. Malagasy Bible Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra. La Bible en Malgache I Davida sy ny Israely rehetra kosa dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny hira, ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny kipantsona ary ny trompetra. |
Ankehitriny, itondray mpitendry mozika aho. Raha mbola niangaly mozika ilay mpitendry, dia tonga tamin’i Elisà ny herin’ny TOMPO,
I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin’ny horakora-pifaliana, ombàn’ny feon’anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin’ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.
Niaraka tamin’i Hemàna sy i Jedotòna, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an’Andriamanitra; ary ny zanakalahin’i Jedotòna no mpiandry vavahady.
I Asafa no filohany, ary i Zakarià no lefitra. I Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Matitià, i Eliaba sy i Benaià ary i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nively ny kipantsona.
ny efatra arivo ho mpiandry varavarana; ary ny efatra arivo ho mpidera ny TOMPO amin’ny zava-maneno namboariko hiderana Azy.
Dia tonga tany Jerosalema izy nombàn’ny feom-baliha sy lokanga ary trompetra, ka nankao an-tranon’ny TOMPO.
Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.
Nofidiny ny zaratany holovanay ka izany no ireharehanay, satria izahay taranak’i Jakôba dia vahoaka tiany tokoa. Fiatoana
Mihirahira manaraka ny feon-dokanga ianareo sy mamorona zava-maneno tahaka an’i Davida.
Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo.