Tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana ilay Vatamasina, dia nataingina teo ambany sarety vaovao ary nentina. I Hozà sy i Ahiao samy zanakalahin’i Abinadaba no nitondra ny sarety,
1Tantara 13:7 - DIEM PROTESTANTA Nalaina tao an-tranon’i Abinadaba ny Vatamasina, dia nataingina teo ambony sarety vaovao; ka i Hozà sy i Ahiao no mpandroaka ny sarety. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary noentiny tamin’ny sarety vaovao niala tao an-tranon’i Abinadaba ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. I Oza sy i Ahio no nampandeha ny sarety. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nalaina tao an-tranon’i Abinadaba ny Vatamasina, dia nataingina teo ambony sarety vaovao; ka i Hozà sy i Ahiao no mpandroaka ny sarety. Baiboly Katolika Napetrany teo ambony sarety vaovao ny fiaran’Andriamanitra dia nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba: i Ozà sy i Ahiao nitarika ny sarety; Baiboly Protestanta Malagasy Ary nentiny tamin’ny sariety vaovao niala tao an-tranon’i Abinadaba ny fiaran’Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety. Malagasy Bible Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety. La Bible en Malgache Ary noentiny tamin’ny sarety vaovao niala tao an-tranon’i Abinadaba ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. I Oza sy i Ahio no nampandeha ny sarety. |
Tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana ilay Vatamasina, dia nataingina teo ambany sarety vaovao ary nentina. I Hozà sy i Ahiao samy zanakalahin’i Abinadaba no nitondra ny sarety,
Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.
Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.
Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.
Koa manamboara sarety vaovao, dia makà ombivavy roa mitaiza sady tsy mbola nitondra zioga, ka rohizo amin’ny sarety, ary dia saraho aminy ho any am-balany ireo zanany.