Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 12:29 - DIEM PROTESTANTA

sy niampy an’i Tsadôka, tovolahy maherifo, niaraka tamin’ny 22 lahy samy filoha teo amin’ny fianakavian-drainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny taranak’i Benjamina, havan’i Saoly, dia telo arivo; fa hatramin’izany ny ankamaroany dia mbola nanao fanompoana tao an-tranon’i Saoly ihany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

sy niampy an’i Tsadôka, tovolahy maherifo, niaraka tamin’ny 22 lahy samy filoha teo amin’ny fianakavian-drainy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Avy amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahin’i Saola, 3.000 lahy; fa ny ankabeazan’ireo, hatramin’izay, mbola niraiki-po tamin’ny fianakavian’i Saola ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny taranak’i Benjamina, havan’i Saoly, telo arivo; fa hatramin’izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin’i Saoly ihany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny taranak’i Benjamina, havan’i Saoly, dia telo arivo; fa hatramin’izany ny ankamaroany dia mbola nanao fanompoana tao an-tranon’i Saoly ihany.

Jereo ny toko



1Tantara 12:29
7 Rohy Ifampitohizana  

Nentin’i Labàna niaraka taminy ny havany, dia nanenjika an’i Jakôba tokony ho lalana fito andro izy, ka nahatratra azy teo an-tendrombohitr’i Gilehada.


Niresaka izany tamin’ny Benjaminita koa i Abinera; ary avy eo nankany Hebrôna izy mba hilaza amin’i Davida ny faneken’ny Benjaminita sy ny Israelita hafa.


i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;


sady mpitondra tsipìka sy antsamotady ka mahay manavia sy manavanana raha mandefa vato sy zana-tsipîka. Ireto ny avy amin’ny tarik’i Saoly, anisan’ny fokon’i Benjamîna:


Tamin’ny taranak’i Benjamîna, mpiray foko amin’i Saoly, dia nisy telo arivo lahy; ka ny ankamaroan’ireo, talohan’izao, dia mpikarakara ny ankohonan’i Saoly.


Tamin’ny fokon’i Levỳ, dia i Hasabià zanakalahin’i Kemoela. Tamin’ny taranak’i Aharôna, dia i Tsadôka.