Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 11:9 - DIEM PROTESTANTA

Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPOn’izao rehetra izao no niaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa nisandratra hatrany i Davida, satria Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no nomba azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPOn’izao rehetra izao no niaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa nandroso nihalehibe ihany i Davida, ary nomban’i Iavehn’ny tafika izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon’ny maro, no nomba azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa nisandratra hatrany i Davida, satria Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no nomba azy.

Jereo ny toko



1Tantara 11:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Naharitra ela ny adin’ny mpomba an’i Saoly sy ny mpomba an’i Davida. Nihanahery hatrany anefa i Davida fa tsy nitsaha-nikorosy kosa ny taranak’i Saoly.


Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no niaraka taminy.


Dia narafitr’i Davida ny tanàna manodidina, manomboka hatreo Milao ka miafara amin’ny trano fonenany; fa i Jôaba kosa no nanamboatra ny sisa tamin’ny tanàna.


Taloha i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara, no mpanapaka ireo; ary nomba an’i Pinehasa ny TOMPO.


Ambony toerana tao an-dapa manko i Môrdôkay sady niely laza eran’ny faritany rehetra, satria nisondrotra hatrany ny lehilahy.


Fa hoy izy: «Aoka ny marina hifikitra amin’ny lalany, ary aoka ny madio tanana hitombo fiezahana.»


Hoy ny Tompo hoe: «Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin’ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin’ny tany.»


Mitabataba ny firenena, mikorontana ny fanjakana; ny Tompo kosa namoaka feo toa kotro-baratra, dia nihovotra sy niempo ny tany.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?