Ireo no zava-bitan’i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà; kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy» kalaza izy.
1Tantara 11:23 - DIEM PROTESTANTA Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina izay roa metatra sy sasany ny halàvany sady nirongo lefona lehibe toy ny voditenon’ny mpanenona. Tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan’ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nisy lefona tahaka ny voditenon’ny mpanenona teny an-tanan’ilay Ejiptiana; nefa nanatona azy tamin’ny tehiny ihany i Benaia dia nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina izay roa metatra sy sasany ny halàvany sady nirongo lefona lehibe toy ny voditenon’ny mpanenona. Tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan’ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty. Baiboly Katolika Izy no nahafaty ny Ejiptianina anankiray, izay dimy hakiho no halavany, ary nisy lefona sahala amin’ny voditenon’ny mpanenona tao an-tanan’ny Ejiptianina. Nitondra tehina izy nankany aminy ary ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptianina no nosarihiny, dia novonoiny tamin’ny lefony indrindra izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan’ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon’ny mpanenona; nefa namoro-tsahan’i Benaia tamin’ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. Malagasy Bible Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. La Bible en Malgache Izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry, izay dimy hakiho* ny halavany, nisy lefona tahaka ny voditenon’ny mpanenona teny an-tanan’ilay Ejiptiana; nefa nanatona azy tamin’ny tehiny ihany i Benaia dia nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. |
Ireo no zava-bitan’i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà; kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy» kalaza izy.
Dia nisy ady tamin’ny Filistinina indray. Ka i Elihanàna, zanakalahin’i Jahîry, no nahafaty an’i Lahemỳ, rahalahin’i Gôliata avy any Gata, dia i Gôliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.
I Hôga mpanjakan’i Basàna manko no hany sisa tavela tamin’ny Refaîta. Mbola hita ao Rabà, renivohitry ny Amôrita, ny vatam-paty misy azy, dia vatam-paty natao tamin’ny vato vy voapaika ka efatra metatra sy sasany ny halàvany ary roa metatra ny sakany araka ny refy mahazatra.
Dia nisy rapeton’olona nivoaka ny tobin’ny Filistinina mba hihantsy ady amin’ny Israelita; ny anarany dia i Gôliata, ary avy any Gata izy. Nirefy tokony ho telo metatra izy.
Dia nihazakazaka nankeny amin’i Gôliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr’i ilay rapeto tamin’ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan’ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo.
Nitondra lefona iray koa izy ka ny zarany dia lehibe toy ny voditenon’ny mpanenona ary ny lelany dia vy mihoatra ny fito kilao. Nisy miaramila iray mpitondra ny ampingany ka mialoha azy.