Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 11:21 - DIEM PROTESTANTA

Nomen-kaja avo roa heny kosa i Abisay teo amin’ny «andian’ny telopolo lahy» ka lasa lehibeny; saingy tsy afaka nifaninana tamin’ny «Tariky ny telo lahy» izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eny, tamin’izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; tsy nahomby azy telo lahy anefa izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nomen-kaja avo roa heny kosa i Abisay teo amin’ny «andian’ny telopolo lahy» ka lasa lehibeny; saingy tsy afaka nifaninana tamin’ny «Tariky ny telo lahy» izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Amin’izy telopolo lahy faharoa, dia izy no malaza indrindra, ka lehiben’izy ireo, nefa tsy nahomby an’irerỳ telopolo lahy voalohany izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eny, tamin’izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eny, tamin'izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eny, tamin’izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; tsy nahomby azy telo lahy anefa izy.

Jereo ny toko



1Tantara 11:21
6 Rohy Ifampitohizana  

I Abisay rahalahin’i Jôaba sady zanakalahin’i Tseroià, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato ka nahafaty azy; ary nanan-daza mitovy amin’ireto telo lahy ireto izy.


I Abisay, rahalahin’i Jôaba, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy, kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy».


I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià: izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy avy any Môaba; izy koa ilay nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala.


Koa raha niverina ho any Tsiklaga iny i Davida no tonga nikambana taminy kosa ireo olona anisan’ny fokon’i Manase, dia i Hadnà sy i Jôzabada, i Jedihaela sy i Mikaela mbamin’i Jôzakara sy i Elihò ary i Tsiletahy izay samy mpifehy arivo tao amin’i Manase.


Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.


hafa ny famirapiratan’ny masoandro, hafa ny famirapiratan’ny volana, ary hafa ny famirapiratan’ny kintana; ary, na ny kintana anankiroa aza, dia samy hafa ny famirapiratany.