Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina.
1Tantara 11:17 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nilaza izao faniriany izao i Davida hoe: Iza re no hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay eo akaikin’ny vavahady? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema? Baiboly Katolika Nanam-paniriana i Davida ka nanao hoe: «Iza no mba hampisotro ahy rano avy amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ny vavahady. Malagasy Bible Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady. La Bible en Malgache Nilaza izao faniriany izao i Davida hoe: Iza re no hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay eo akaikin’ny vavahady? |
Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina.
Dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina izy telo lahy ireto ka nanovo rano tamin’ilay fantsakana teo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema, ary nitondra izany ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro i Davida fa nanolotra izany ho an’ny TOMPO kosa ho fanatitra araraka,
Mivavaka manandra-tanana aminao aho; ny fanahiko eo anatrehanao dia tahaka ny tany mangentana. Fiatoana
Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase; i Efraîma no toy ny fiaro lohako; i Joda no toy ny tehim-piandrianako.
Ka izao no navalin’i Jesoa an-dravehivavy: –Raha mba fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra ka fantatrao Ilay miteny aminao hoe: «mba omeo rano Aho hosotroiko», dia ianao no ho nangataka taminy ka homeny ranovelona.
Fa na iza na iza hisotro amin’ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta na oviana na oviana; satria ny rano izay homeko azy dia hanjary loharano ao anatiny ka hiboiboika ho aina maharitra mandrakizay.