Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 11:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Tao amin’ny manda fiarovana i Davida tamin’izay fa ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ary i Davida efa tao amin’ny fiereny raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan’ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Tao amin’ny trano mimanda i Davida tamin’izay ary nisy antoko-miaramilan’ny Filistinina tany Betlehema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary Davida dia tao amin’ny batery fiarovana tamin’izay, ary ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Tao amin’ny manda fiarovana i Davida tamin’izay fa ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 11:16
10 Rohy Ifampitohizana  

Nony ren’ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida dia niakatra avokoa izy rehetra mba hambabo an’i Davida. Raha nahare izany koa i Davida, dia nidina nankao amin’ny fialofana mimanda.


Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema?


Tononkalo fananarana nataon’i Davida. Vavaka nataony fony izy tao anaty zohy .


Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo.


Nisy andiana miaramila filistinina naka toerana teo amin’ny hadilalan’i Mikmasy.


Koa dia fantatry ny Israelita rehetra fa novonoin’i Saoly ho faty ny governora filistinina iray; ary nahatonga ny fahatezeran’ny Filistinina tamin’i Israely izany. Dia nivory nanaraka an’i Saoly tany Gilgala ny tafiny.


Niala avy teo i Davida, dia nandositra niery tao an-johin’i Hadolama. Raha nahafantatra izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nirohotra nankany aminy avokoa.


Dia nentin’i Davida teo anatrehan’ny mpanjakan’i Môaba izy ireo ka nipetraka tao aminy nandritra ny fotoana rehetra nialokalofan’i Davida tao amin’ny fiereny.


Indray andro dia hoy i Gada mpaminany tamin’i Davida: –Aza mijanona ao amin’ny fierenao fa mandehana miverina any amin’ny tanin’i Joda. Dia lasa i Davida ka nankany amin’ny alan’i Hereta.


Niainga i Saoly sy ny miaramilany hitady an’i Davida. Raha nandre izany i Davida, dia nitsontsorika nidina ny harambato ka nijanona tao amin’ny taniefitr’i Mahôna. Rehefa fantatr’i Saoly izany dia nanenjika an’i Davida hatrany koa izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra