Mitsangàna, ry Iaveh, mirosoa hitsena azy, ka aripaho izy, ny sabatrao no aoka hanafaka ny fanahiko amin’ny ratsy fanahy,
Zefania 2:12 - Baiboly Katolika Ianareo koa, ry Etiôpianina!... Ho voatrobaky ny sabatro izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ianareo Kosita koa, ho voatrobaky ny sabatro ianareo. DIEM PROTESTANTA «Ianareo koa, ry Etiôpianina, hoy ny Tompo, hovonoiko amin’ny ady ianareo». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Ianareo koa, ry Etiôpianina, hoy ny Tompo, hovonoiko amin’ny ady ianareo». Baiboly Protestanta Malagasy Hianareo Etiopiana koa,– Ho voatrabaky ny sabatro hianareo. Malagasy Bible Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo. La Bible en Malgache Ianareo Kosita koa, ho voatrobaky ny sabatro ianareo. |
Mitsangàna, ry Iaveh, mirosoa hitsena azy, ka aripaho izy, ny sabatrao no aoka hanafaka ny fanahiko amin’ny ratsy fanahy,
Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Avy any an-tany lavitra, avy any am-paravodilanitra izy ireo dia i Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany handravany ny tany rehetra.
Ary hoy i Iaveh: «Toy ny nandehanan’i Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an’i Ejipta sy i Etiôpia izy,
Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta, ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.
Fa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko, ary ny sabatro, hataoko eo an-tanany; hotapahiko kosa ny sandrin’i Faraôna ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon’ny maratra ho faty.