Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zefania 1:15 - Baiboly Katolika

Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana, androm-pahoriana aman-tebiteby, andro fahalahelovana amam-pandravana, androm-pahamaizinana sy fanjombonana, andro mandrahona sady manjavona mainty,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Andron’ny fahatezerana izany andro izany, andron’ny fahoriana sy tebiteby, andron’ny fandringanana sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ho androm-pahatezeran’ny TOMPO izany, ho androm-pahoriana sy tebiteby, ho androm-paharavana sy fahapotehana, eny, ho andro maizina mikitroka, ho andro rako-drahona sy zavona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho androm-pahatezeran’ny TOMPO izany, ho androm-pahoriana sy tebiteby, ho androm-paharavana sy fahapotehana, eny, ho andro maizina mikitroka, ho andro rako-drahona sy zavona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Andron’ny fahatezerana izany andro izany, andron’ny fahoriana sy tebiteby, andron’ny fandringanana sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.

Jereo ny toko



Zefania 1:15
17 Rohy Ifampitohizana  

Indro tonga ny andron’i Iaveh, andro fahalozàna, fahavinirana sy firehetam-pahatezerana, hampanjary ny tany ho efitra, sy handringana ny mpanota eo.


Fa andron’ny tabataba, fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity, ka nalefan’ny Tompo Iavehn’ny tafika, ho any amin’ny Lohasahan’ny fahitana; ravana ny manda, misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.


Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin’ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny haizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin’ny haizim-pito izy.


Loza! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy toa azy! Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany, kanefa hoafahana amin’izany izy.


Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?


Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no iavian’ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.


Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh; holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka, ny mponina rehetra amin’ny tany.


alohan’ny hiterahan’ny biby sy hihelenan’ny andro toy ny mololo; alohan’ny hiharan’ny firehitry ny fahatezeran’i Iaveh aminareo, alohan’ny hidonan’ny andron’ny fahaviniran’i Iaveh aminareo.


«Ary raha vao afaka izany andron’ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin’ny lanitra.


Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!


Hataony fahirano ianao, anatin’ny vavahadinao rehetra, mandra-paharavan’ny manda avo sy mafy amin’ny taninao, izay nitokianao. Hataony fahirano ianao ao amin’ny vavahadinao rehetra sy amin’ny tany rehetra, izay nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao.


Ary raha ny amin’ny lanitra sy ny tany ankehitriny, dia mbola ny tenin’Andriamanitra ihany koa no mitana sy mitahiry azy hodorana amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.


fa tonga ny Androm-pahatezerany lehibe, ka iza no mahajanona?»