Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 8:5 - Baiboly Katolika

Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy milalao, eny amin’ny kianjany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary ny kianja malalaka ao amin’ny tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny amin’ny kianja.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ny kianjan’io tanàna io koa dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ny kianjan’io tanàna io koa dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary eny an-dàlambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dàlambe.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary ny kianja malalaka ao amin’ny tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny amin’ny kianja.

Jereo ny toko



Zakaria 8:5
11 Rohy Ifampitohizana  

Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna. Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’i Iaveh izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby; ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.


Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.


Indro, avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamafazako eo amin’ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà, masombolin’olombelona sy masombolim-biby. Ka izao no hitranga: toy ny niambenako azy ireo: hongotana, hazera, harodana, horavana ary hampahorina,


dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.


Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina, hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo! Manandrata tanana aminy, ho an’ny ain’ny zanakao madinika, izay lavo toran’ny hanoanana, eny an-joron-dalana rehetra eny.


Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»


ka hoy izy taminy hoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.