Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy.
Zakaria 6:3 - Baiboly Katolika ny kalesy fahatelo nisy soavaly fotsy, ary ny kalesy fahefatra nisy soavaly sadamena mavitrika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 tamin’ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ny kalesy fahefatra dia soavaly sada sady matanjaka. DIEM PROTESTANTA soavaly fotsy no tamin’ny fahatelo; ary soavaly sadamena no tamin’ny kalesy fahefatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara soavaly fotsy no tamin’ny fahatelo; ary soavaly sadamena no tamin’ny kalesy fahefatra. Baiboly Protestanta Malagasy tamin’ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena. Malagasy Bible tamin'ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin'ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena. La Bible en Malgache tamin’ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ny kalesy fahefatra dia soavaly sada sady matanjaka. |
Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy.
Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;
Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;
Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly fotsy; ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka, sy nomena satroboninahitra, ary lasa toy ny mpandresy ndeha handresy.
Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly hatsatra, ary ilay nitaingina azy dia atao hoe i Fahafatesana, sady nanaraka azy ny Fonenan’ny maty. Nomena fahefana amin’ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin’ny mosary aman-tsabatra, sy amin’ny fahafatesana mbamin’ny biby masiaka etỳ an-tany.