Ary izy ireo kosa rehefa mby amin’ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin’izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amôreana.»
Zakaria 5:8 - Baiboly Katolika Dia hoy izy hoe: «Io vehivavy io no haratsiam-panahy.» Dia natosiny ho ao afovoan’ny efah izy io, sady natontany teo am-bavan’io ilay vongam-pìraka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy izy: Io ny Faharatsiam-panahy. Dia natontany tao anatin’ny vata famarana ilay vehivavy ary natontany teo am-bavan’ny vata famarana ilay vongam-piraka. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ilay anjely tamiko: –Io vehivavy io no Faharatsiam-panahy. Koa natosiny hiverina tao anaty vata izy ary nakatony ny sarona vongam-piraka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ilay anjely tamiko: –Io vehivavy io no Faharatsiam-panahy. Koa natosiny hiverina tao anaty vata izy ary nakatony ny sarona vongam-piraka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin’ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan’io ny vato firaka. Malagasy Bible Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka. La Bible en Malgache Ary hoy izy: Io ny Faharatsiam-panahy. Dia natontany tao anatin’ny vata famarana ilay vehivavy ary natontany teo am-bavan’ny vata famarana ilay vongam-piraka. |
Ary izy ireo kosa rehefa mby amin’ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin’izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amôreana.»
Tsy misy salama ny nofoko noho ny hatezeranao; ary tsy misy tsy marofy ny taolako noho ny fahotako.
Ny ratsy fanahy mihitsoka amin’ny ratsy nataony, ny famatoran’ny fahotany ihany no maningotra azy;
Ny jiogan’ny fahotako dia voafehy, tao an-tanany; voatambatra ho fehezany ireny, ka mitambesatra amin’ny vozoko, nataony mihozohozo ny heriko. Natolotry ny Tompo eo an-tanan’izay tsy leoko aho.
Ary ianao kosa dia mba hiverina amin’ny Andriamanitrao; tandremo ny famindram-po sy ny rariny; ary miandrasa ny Andriamanitrao mandrakariva.
manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.
Ary indro nisy vongam-pìraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiray nipetraka teo afovoan’ny efah.
ary mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentily hahazoanay famonjena, hany ka mihafeno hatrany hatrany ny lanjan’ny fahotany; sady efa tsy anerany loatra ny fahatezeran’Andriamanitra aminy.