Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 5:6 - Baiboly Katolika

Ary hoy izy: «Ny efah no miseho»; sady nampiany hoe: «Mifantoka amin’io avokoa ny fijerin’izy ireo, any amin’ny tany rehetra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy aho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io miseho io dia vata famarana. Hoy koa izy: Izao no hita any amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nanontaniako izy hoe: –Inona io? Dia hoy ny navaliny: –Vata famarana mirakitra ny fahadisoana eto amin’ny tany manontolo io.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nanontaniako izy hoe: –Inona io? Dia hoy ny navaliny: –Vata famarana mirakitra ny fahadisoana eto amin’ny tany manontolo io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy izaho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin’ny tany rehetra

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy aho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io miseho io dia vata famarana. Hoy koa izy: Izao no hita any amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko



Zakaria 5:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa mizàna marina, vato-mizàna marina, efah marina, ary hina marina no tano. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta.


Mihainoa izao ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany,


manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.


Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary loha-kororòka?


Mbola misy, ao an-tranon’ny ratsy fanahy ihany va ny harena tsy marina, sy ny efah tsy ampy, maharikoriko?


Hofaizako avokoa amin’izany andro izany, izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, ka nameno fahasahiana amam-pitaka ny tranon’ny tompony.


Ary indro nisy vongam-pìraka boribory naingaina, ary nisy vehivavy anankiray nipetraka teo afovoan’ny efah.