Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Amosa 8:6 - Baiboly Katolika

6 Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary loha-kororòka?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 ka hividianantsika ny mahantra amin’ny volafotsy, sy ny sahirana amin’ny kapan’olona iray ary hivarotantsika ny akofam-bary?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 ary hatramin’ny vary loha-kororoka no hamidintsika. Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra, noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 ary hatramin’ny vary loha-kororoka no hamidintsika. Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra, noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra Sy kiraro iray lomisy ny malahelo, Ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 8:6
11 Rohy Ifampitohizana  

dia nilaza taminy hoe: «Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin’ny firenena araka ny anananay, ka ianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay!» Gina tsy nahita havaly izy ireo.


Ao aminao, misy mandray kolikoly handatsa-dra; manao zana-bola be loatra ianao, sady maka zana-bola, sy miharaka ny haren’ny namanao; ary Izaho hadinonao, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Haneho zava-mahagaga eny an-danitra sy etỳ an-tany Aho, dia ra sy afo aman-tsetroka mitankosina.


Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Israely - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria namidiny vola ny marina; ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;


Ampandreneso eo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao, ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa, ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny.»


Henoinareo izao teny izao, ry omby vavin’i Basàna, izay eny an-tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny osa, sy manosihosy ny tsy manana, ianareo izay milaza amin’ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika!


Mihainoa izao ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany,


Ary hoy izy: «Ny efah no miseho»; sady nampiany hoe: «Mifantoka amin’io avokoa ny fijerin’izy ireo, any amin’ny tany rehetra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra