Mangalà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.
Zakaria 5:2 - Baiboly Katolika Ary hoy izy tamiko: «Inona no hitanao?» Ka hoy aho: «Horonan-taratasy manidina, roapolo hakiho ny lavany, folo hakiho ny sakany, no hitako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy aho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roapolo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. DIEM PROTESTANTA Ary nanontanian’ilay anjely aho hoe: –Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: –Mahita horonam-boky manidina aho: folo metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanontanian’ilay anjely aho hoe: –Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: –Mahita horonam-boky manidina aho: folo metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. Malagasy Bible Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. La Bible en Malgache Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy aho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roapolo hakiho* ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. |
Mangalà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.
Hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Amôsy?» Ka namaly aho hoe: «Kofehy pilao». Dia hoy ny Tompo: «Indro Aho manisy ny kofehy pilao, eo amin’i Israely vahoakako; fa tsy hamela ny helony intsony.
Efa akaiky ny andro lehiben’i Iaveh, efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana! Injay migàdona ny andron’i Iaveh! Ho velon-taraina mangidy amin’izay ny olo-mahery fo.
sy nilazany hoe: «Inona no hitanao?» Ka hoy ny navaliko azy: «Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsana iray, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin’ireo lalampy eo an-tampon’ny fanaovan-jiro.
Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.
fa efa mitehika amin’ny lanitra ny fahotany, ary efa tsarovan’Andriamanitra ny haratsiany.