Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 5:11 - Baiboly Katolika

Dia hoy ny navaliny ahy: «Hoentiny hanaovan-trano ho azy, any amin’ny tany Senaara, ka rehefa voaorina izany, dia hapetraka ao izy, ao amin’ny fitoerany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany dia hapetraka eo amin’ny toerana fipetrahany izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ka hoy izy tamiko: Any Mezôpôtamia, fa any no hanaovana tempoly ho azy ka hametrahana azy eo ambonin’ny vodivato hitoerany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka hoy izy tamiko: Any Mezôpôtamia, fa any no hanaovana tempoly ho azy ka hametrahana azy eo ambonin’ny vodivato hitoerany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin’ny fipetrahany izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany dia hapetraka eo amin’ny toerana fipetrahany izy.

Jereo ny toko



Zakaria 5:11
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny niandohan’ny fanjakany dia i Babela, i Aràka, i Akada, ary i Kalane any amin’ny tany Senaara.


Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo.


Tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Senaara, sy i Ariòka, mpanjakan’i Elasara, sy i Kodôrlahômôra, mpanjakan’i Elama, ary i Tadala, mpanjakan’i Gôima,


Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.


Fa noho izany, dia nahavatra nampilaza taminay tany Babilôna izy, nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, ka manaova trano ary mitoera ao aminy, mambole amin’ny zaridaina ary mihinàna ny vokany.»


Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.


Ka hoy aho tamin’ilay vehivavy niresaka tamiko: «Hoentiny ho aiza ity efah?»


haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.»


dia hataon’i Iaveh mahatsiravina mihitsy ny loza hamelezany anao sy ny loza hamelezany ny taranakao, loza lehibe sady tsy tapaka, aretina mafy sady tsy azo sitranina.